Politique

Ravalomanana sy ny RMDM "Efa jadona no misy eto"


  • Talata 01 Febroary 2022

“Manoloana ny fiampangana sy fitazonana an’Andriamatoa Mahery Lanto Manandafy noho ny fanehoan-kevitra tsotra nataony tao amin’ny Facebook dia iaraha-mahita fa misy tokoa ny fanamparam-pahefana ary fanitsakitsahina ny lalampanorenana ataon’ny mpitondra.

Voalaza mazava ao amin’ny andininy faha-folon’ny lalampanorenana anefa fa iantohana ny fahalalahana maneho hevitra”, hoy ny fanambarana nosoniavin’i Marc Ravalomanana Filohan’ny Rodobenn’ny Mpanohitra eto Madagasikara na ny RMDM omaly. Nambarany fa ny fiampangana sy ny fitazonana azy izay nataon’ny mpitandro ny filaminana dia azo adika tsotra izao fa fanaovana ramatahora an’ireo Malagasy rehetra sahy maneho ny heviny ankahalalahana sy mitsikera ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Arak’izany dia efa mihatra eto amin’ny firenena ny didy jadona sy ny fanapotehana ny demokrasia, hoy io fanambarana io. Tsy azo ekena intsony ny fanaovana ramatahora, ny didy jadona, ary ny fanitsakitsahina tsy misy farany ny lalàmpanorenana ataon’ny mpitondra fanjakana iarovana ny tombontsoa politikan’izy ireo. Noho izany dia manameloka tanteraka izao fiampangana sy fitazonana an’Andriamatoa Mahery Lanto Manandafy izao izahay. Takianay ny hamotsorana azy haingana ary tsy misy fepetra. Melohinay ihany koa ny fampiasana ny mpitandron’ny filaminana sy ny fitsarana ho fitaovana politika sy herim-pamoretan’ny mpitondra, hoy ny fanambarana nosoniavin’i Marc, izay marihina fa ny marainan’ny omaly no nanaovana azy, izany hoe talohan’ny didim-pitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT