Politique

Ravalomanana sy Andriantsitohaina Miha mafy ny fifandonana


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Tsy misy resaka politika mihitsy io, ary marina angamba ny tenin’i Filoha Ravalomanana hoe tsy mahay politika aho,

 

 

 

 hoy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Ankehitriny Naina Andriantsitohaina. Ny tena marina dia izao hoe ilain’ny kaominina ny taniny. Ny MBS dia mipetraka eo afovoan’ny tanin’ny Kaominina aty. Tsy misy hidiran’ny orinasa amin’ny haino aman-jery, ary na iza na iza nipetraka teo, dia mitovy ihany ny fepetra horaisin’ny kaominina. Ny faharoa dia diso ny fampilazana hoe fanenjehana haino aman-jery, tsy midika fa hakatona ny MBS. Manana enim-bolana izy hamindrana ny fitaovany eo amin’ny tanin’ny kaominina. Tsy ara-dalàna ny fandoavana ny hofan-trano , hoy ny ben’ny tanàna. Roa tapitrisa isan-taona ny hofany amina velarana 2500 m². 40 tapitrisa ariary no tokony naloany tao anatin’ny 20 taona, fa ny hitanay naloa tamin’ny novambra teo, dia 8 tapitrisa ariary, hoy i Naina Andriantsitohaina. Ohatra ny orinasa tsy misy intsony, tsy mandoa hetra ny MBS, hoy ity ben’ny tanàna ity. Tsara no mampahatsiahy, fa nodorana sy hotohoton’ny afo ny MBS tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, izany hoe tsy niodina. Efa 09 taona taty aoriana vao tena niverenana nohajariana ny tanàna hotohoton’ny afo, ary izao mafana izao indray ny fifandrinana momba ity orinasan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity, rehefa velona indray taorian’ny fandorana an’Anosipatrana. Ny 10 Aogositra lasa teo naneho i Marc Ravalomanana, fa tokony hianatra lalàna aloha ny ben’ny tanàna, ary tsy tokony hilingilingy amin’io.

 

 HALAINA IHANY KOA NY ALMA

Hampiasain’ny mpiasan’ny kaominina ny eny Anosipatrana, ary tanin’ny Kaominina Antananarivo ihany koa ary mitovy ny fifanarahana natao tamin’ny orinasa ALMA (Asa Làlana Malagasy) eny amin’ny Kariera eny amin’ny PK7 RN2 eny Ambohimahitsy. Ny 5% tamin’ny vato tokony nomena ny kaominina, hoy i Naina Andriantsitohaina, izay maneho fa halain’ny Kaominina ihany koa izany. Mihenjan-droa izany ny tady, ary miha mafana ny fifanandrinana eo amin’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Naina Andriantsitohaina noho ny raharaha MBS. Tsy mbola azo sary an-tsaina aloha hatreto hoe inona no mety hiafarany fa ny fantatra sy azo antoka dia samy tsy hanaiky ho lembenana ny andaniny sy ny ankilany.Tsara ho fantatra fa filohan’ny Sendikan’ny Indostria (SIM) nandritra ny fitondrana Ravalomanana i Naina Andriantsitohaina ary anisan’ireo olona tena akaiky an-dRavalomanana mivady ny rainy dia Itompokolahy Charles Andriantsitohaina.Izany hoe olona mifankahafantatra tsara efa hatry ny ela izy ireo.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT