Politique

Ravalomanana «non partant» Aza manonofy


  • Zoma 19 Oktobra 2012

Averimberin'ireo mpiara-dia amin'i Andry Rajoelina fa hiteraka korontana sy fifandonana hono ary mety hitarika ady an-trano mihitsy ny fahatongavan'Atoa Marc Ravalomanana eto Madagasikara.

 Fa inona no antony mahatonga ny olona sasany hieritreritra izany ? Tena izay tokoa ve no marina sy tsy maintsy hitranga ? Ny azo antoka aloha dia tsy ny mpitolona eny amin'ny Magro na ireo mpiara-dia amin'ity filoha teo aloha ity, no hanakorontana ny fahatongavany eto. Ireo TIM namadika palitao kosa aloha dia tsy fantatra izay hataony. Ka iza moa izany fa tsy ny mpomba an'i Andry Rajoelina no mety haneho ny fahatezerany eny Ivato amin'izay fotoana izay, toy izay efa nataon’ny AV7 tamin’ny 21 janoary 2012. Ny foloalindahy efa nanamafy fa tsy misy idiran'izy ireo ny amin'izany satria fanapahan-kevitra politika. Sa efa misy milisy mitam-piadiana any ho any ka efa vonona ny hanakorontana vantany vao tonga eto i Marc Ravalomanana ? Fa fampihavanam-pirenena amin'ny endriny ahoana moa no tadiavina hatao eto no tonga dia misy olona ailika tsotra izao ? Moa va tsy tokony ho anisan'ireo mpandray anjara mavitrika amin'ny dingana rehetra momba ny fampihavanam-pirenena hotanterahana eto i Marc Ravalomanana, miaraka amin'ireo mpitondra nifandimby sy mpanao politika ? Ka mandritra izany no mandeha ny filazana ny zavatra tena nitranga marina, sy ny torapo isan-karazany, izay vao mifamela sy mihavana. 

Ny ankamaroan'ireo mpanao politika be resaka mandritra izao tetezamita izao dia nanakiana mafy an'i Marc Ravalomanana noho ny tsy fanekeny ny hanao ny fampihavanam-pirenena, araka ny soso-kevitry ny CRN tamin'ny 2002. Tsy tafody teto koa nandritra ny 7 taona ny amiraly Ratsiraka sy ireo lohandohan'ny mpisorona rehetra niara-nitondra taminy. Dia efa samy mahalala ny tohin'ny tantara ny rehetra fa niteraka ny krizy 2009 izany. Ka raha toa ka mbola miverina ihany io fanilihana sy fanakantsakanana io, dia azo antoka fa hiverina koa ny krizy afaka 3 na 5 taona. Raha fanovana marina no hatao eto, dia tokony hiova ny fomba fisainana, miova ny fomba fijery ary miova ny fomba fiasa, ho an'ny rehetra io. Tokony hialana ny fanilihana sy valifaty, fa soloina fifampiresahana sy fifamelana, dia miatrika fifidianana izay sahy ! Tsy misy milaza mihitsy hoe i Marc Ravalomanana no tena tian'ny Malagasy rehetra eto, fa ny azo antoka dia mbola maro be ny olona manohana azy sy ny foto-keviny, ka ny fanilihana azy dia midika ho fanilihana ireo olona ireo ary tsy maintsy hiteraka disadisa any anaty toeram-piasana sy fiarahamonina, eny hatrany amin'ny foloalindahy sy ny fiangonana aza.

Koa raha tena hitondra fanovana marina i Andry Rajoelina sy ny ekipany dia mila maka lesona amin'ny tantara aloha, tsy manilika n'iza n'iza ary sahy miatrika ny zava-misy. Rehefa hitan'ny vahoaka fa mahavita azy i Andry Rajoelina dia tazoniny eo amin'ny fitondrana, fa rehefa tsapany kosa fa tsy mamely sy be fikafika na mbola manao politikan'ny fanilihana ihany dia, ongotany eo indray. Ny hamehezana azy dia ny hoe : tsy ny fanakanana ny fodian-dRavalomanana no hampitombo ny fitiavan'ny Malagasy an'i Andry Rajoelina sy hampaharitra ny fitondrany, tsy ny fanosoram-potaka sy fanalam-baraka an-dRavalomanana no hamaha ny trafika boaderozy sy vato sarobidy ary fanangonan-karena haingana dia haingana nataon'ny manampahefana sasany ao anatin'izao tetezamita izao; ary tsy ny fanakanana ny fodian-dRavalomanana akory no hanafaingana ny fisamborana an-dRemenabila sy hampihena ny asan-jiolahy eto. Sao dia mba diso paikady e ! 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT