Mihazakazaka ny asa fanelanelanana ataon’ny SADC taorian’ny tombana nataon’ny iraka ara-miaramila notarihin’ny jeneraly tanzanianina Charles Mayounga sy ny iraka diplaomatika, notarihin’ny Dr Leonardo Simao, tonga teto Madagasikara ny volana oktobra lasa iny
Fantatra mantsy fa dia tonga tao Afrika Atsimo ary nihaona sy nifampidinika manokana tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny filoha mozambikanina teo aloha, Joaquim Chissano, izay lehiben’ny mpanelanelana amin’ny krizy eto Madagasikara sy ny mpiara-miasa aminy. Omaly tolakandro, tao amin’ny hotely Sheraton ny fihaonana. Nandritra ity fihaonana tatsy Afrika Atsimo ity no nanamafisan’Atoa Marc Ravalomanana tamin’Atoa Joaquim Chissano fa ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra ihany no vahaolana amin’ny krizy eto Madagasikara. Voaresaka tao ihany koa fa tsy azo ihodivirana ny fampodiana tsy misy fepetra ny sesitany politika, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana.
Nivoitra tamin’ny resaka nifanaovan’ny roa tonta ihany koa fa ny fanaovana fifidianana madio sy demokratika araka ny fenitry ny Firenena Mikambana, dia ny fifidianana anatin’ny fitoniana sy filaminana ary afaka milatsaka avokoa ny rehetra tsy anilihana na iza na iza. Fihaonana hanan-tantara ity fihaonana teo amin’Atoa Marc Ravalomanana sy Joaquim Chissano ity, eo am-piandrasana ny vokatry ny tombana nataon’ireo iraka in-droa miantoana avy amin’ny SADC tonga teto. Nilaza koa moa ity diplaomaty mozambikanina ity fa vao avy nihaona tamin’i Andry Rajoelina ny tenany. Araka ny tsiliantsofina dia tatsy amin’ny Nosy Maorisy no natao io fihaonana io ny faran’ny herinandro teo, ny sabotsy 03 novambra. Tsy nisy nipika anefa ny votoatin’ny dinika tamin’izany, izay natao mangingina raha ny fahitana azy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.