Politique

Ravalo sy ny TIM Voarara ny hetsika manerana ny Nosy


  • Alakamisy 11 Aogositra 2022

Niantrana am-bava basy vao maraina ny mpitandro filaminnana omaly tany Antsiranana Renivohitra, nanakana ny hetsika famoriam-bahoaka, tafiditra ao anatin’ny fameloma-maso ny Antoko TIM.

Tsy nomena alalana na ao anatin’ny faritra mifefy aza satria nambara fa tsy naka alalana, ary ahiana hiteraka asa fanakorontanana. Omaly tamin’ny 2ora tolakandro no fotoana nofaritan’ny TIM any Antsiranana hanaovana hetsika sy fivoriam-be ao amin’ny faritry ny Magro any an-toerana, ary any rahateo ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny sabotsy lasa teo no efa tonga tany I marc Ravalomanana, izay naneho fa mbola tsy mihetsika, mbola tsy manao na inona na inona izy dia efa atahorana, saingy tsy hahasakana ahy ianareo, hoy izy. Raha mampahatsiahy anefa, ny 07 may 2022 teo, nanao hetsikka ny TGV-MAPAR izay notarihin’ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena Rtoa Jocelyne Maxime, izay nisy famonoana omby 25, afaka nanao izay tiany satria nisy hatramin’ny filaharana teny an-dalambe. Ny an’ny TIM kosa na aiza na aiza aleha, voarara, tsy mahazo alalana,… basy aman-tafondro no miandry. Raha noresahina ny teto Antananarivo ny 23 jolay 2022 tetsy amin’ny Magro dia nolazaina fa ahiana ny hisian’ny korontana, mikasa hanongam-panjakana,… hany ka nivadika teny an-dalambe. Raha fanakanana ny fanonganam-panjakana sy ny fanakorontanana tokoa ve no tanjona tsy mora kokoa ny miaro ny mifehy ny olona ao anaty faritra mifefy? Etsy andaniny, ny olon’ny Fanjakana manao vava samihafa fa tsy mahazaka vahoaka, tsy “crédible” ny mpanohitra, resy lahatra amin’ny fampandrosoana sy ny ezaka ataon’ny Fanjakana ny olona,… Inona ary izany no atahorana mpanohitra handeha hamelo-maso ny antokony fa sakanana etsy sy eroa? Midika ny zava-misy fa voarara ary tsy afaka manao famoriam-bahoaka sy fameloma-maso ny Antokony manerana an’I Madagasikara I Marc Ravalomanana sy ny TIM. Mety tsy havela hirotsaka na tsy havela hanao propagandy angamba raha izao no mitohy…
ANTSO AN’EFITRA
Teny an'efitra tsy misy mpiraharaha ilay nataon’ny Filohan’ny Sendikan’ny Adminisitratera sivily hoe: omeo alalana ny rehetra haneho hevitra, aza sakanana izay mahafeno fepetra. Efa nitondra fanamarihana ihany koa ny Filohan’ny Filankevitra ambony momba ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna, fa toa mihemotra isika amin’ny demokrasia, tokony hitovy ny fahalalahana ara-politika, ho an’ny rehetra;
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT