Rehefa tena natao ny fandinihana lalina ny toe-draharaha politika eto amintsika amin’izao fotoana dia mety ho elaela mihitsy vao hiverina indray eto an-tanindrazana Atoa isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana.
Na dia teo aza mantsy ny fifanarahana politika tany Maputo teo amin’ny ankolafy 4 momba ny hoe fanafoanana tanteraka ny fiampangana ny amiraly Ratsiraka sy ny fanafoanana ny raharam-pitsarana momba an’i Marc Ravalomanana, dia tsy nisy mihitsy ny fampiharana izany an-taratasy sy araka ny lalàna misy eto nataon’ny fitondrana FAT. Noho izany rehetra izany dia mbola voaheloka izy mirahalahy ireo, ary raha mieritreritra ny fitsarana Malagasy fa mila ampidirina am-ponja vonjimaika izy ireo na ampanantsoin’ny fitsarana halaina am-bavany dia azo atao tsara izany, raha toa ka eto an-tanindrazana izy ireo. Eto Madagasikara rahateo, dia tahaka ny moramora izay ihany ny fivoahana dosiem-pitsarana tampoka hahafahana manenjika olona. Mahafantatra tsara izany kipitsopitsony ara-pitsarana izany ireo filoha teo aloha ireo ary izay no maha mailo azy ireo, tsy tonga dia miditra eto Madagasikara na dia efa tena manin-te hody tokoa aza izy ireo, satria sao tsy hivantana eny Faravohitra sy Ambodiatafana fa tonga dia Tsiafahy, ka any dia any.
Ny fitondran’i Andry Rajoelina rahateo efa nampiseho im-betsaka fa tsy olana aminy ny miova amin’ny teny nomena sy mivadika amin’izay nifanaraka taminy, ka aleo mitandrina ihany. Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy ary dia noho izany rehetra izany no mahatonga ny mpomba ny Ankolafy Telo mazoto ny hiditra ao amin’ny Parlemantan’ny tetezamita satria hanao izay tratry ny heriny izy ireo handaniana ny famotsoran-keloka faobe tsy misy fanavakavahana na sivana, fa dia mahakasika ny olana ara-politika rehetra nitranga teto amin’ny firenena.
Tsy ho mora anefa izany fa tena sarotra satria tsy mbola resy lahatra amin’izany mihitsy ny ankolafy Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy sasany, koa azo antoka fa tena hangotraka ny adihevitra eny amin’ny CT sy ny CST raha toa ka tafiditra ao marina ny Ankolafy Telo izay tsy maintsy hikaroka ny fomba rehetra hampodiana an-dRatsiraka sy Ravalomanana, izay samy mila ny famotsoran-keloka mba hahafahany miverina indray eo amin’ny sehatra politika ary miatrika ny fifidianana filoham-pirenena. Ny amiraly aloha dia azo antoka fa tsy hilatsaka intsony, fa i Dada kosa dia nilaza ary nanamafy, raha ny nambarany tamin’ny 12 desambra, vaninandro nahaterahany, fa hanokana ny andro sisa iainany hanompoana sy hampandrosoana an’i Madagasikara ary hanasoavana ny vahoaka Malagasy ary vonona ny ho kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ny tenany. Dia samy miandry ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemantan’ny tetezamita amin’io volana janoary 2011 io, araka izany ny rehetra fa ao no ahitana izay tena marina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.