Politique

Ratsirahonana Norbert Lala « Mitavozavoza mandray andraikitra ny fanjakana »


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2021

Nandritra ny fidinana ifotony tanfiditra anatin’ny fanetsehana ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) tany Ambositra ny zoma sy sabotsy teo no nanehoan’ny Filohany Atoa Norbert Lala Ratsirahonana

 hevitra momba ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Nahitsy izy naneho, fa misy fitavozavozana amin’ny fandehan-javatra. Rariny raha toa ka mitaky ny olona satria ny karamany ve tsy alohanao 6 volana na 3 volana, dia ahoana moa ny fivelomany amin’izany? Rariny amiko raha ohatra izy ka mitaky hoe alohavy ny karamanay. Ny tompon’andraikitra momba izany no tokony hiezaka sy mampiseho hoe vitanay sy tanterakay hatramin’ny farany ity zavatra ity, ny fandoavana ny karama sy ny vola tokony haloha amin’ny olona reehetra, ary izay ihany no ahafahana manaporofo fa manam-bola na tsy manam-bola ny Fanjakana, hoy izy. Raha ohatra ka hiziriziry sanatrian’ny vava tsy handoa ny karaman’ireo olona ireo na tsy handoa volan’olona dia afaka mieritreritra ny olona rehetra hoe tsy manam-bola ireo. Karazana valin-kafatra tamin’ny vavaben’ny Praiminisitra Ntsay Christian, fa tsy terena hamoaka vola amin’ny alalan’ny grevy ny Fanjakana. Nahitsy ihany koa i Norbert Lala Ratsirahonana nilaza fa matoa ilay olona miteny dia mahatsapa fa betsaka ny “werawera” kanefa ny zava-bita ohatran’ny tsy dia araka ny tokony ho izy. Mbola misy roa taona hiasan’ingahy Filohan’ny Repoblika, ka dia manantena ao anatin’izay fa hiezaka amin’izay faraheriny mba tsy hisian’izany resaka izany intsony, hoy izy. Tsy manana eritreritra handatsaka kandida amin’ny anarany kosa ny AVI amin’ny fifidianana 2023, fa handinika amin’ny hanohanana kandida, izay zon’ny antoko tsirairay. Hanao tombana sy hanolotra programa amin’ireo kandida rehetra eo, dia ho hita eo hoe: izay no mahavita sy handray na dia ny ampahany amin’izay programa izay. Nambaran’i Norbert moa fa tsy nanana olona tao anatin’ny governemanta ny AVI, ary nisy olona natolotra ho minisitra saingy voailika tamin’ny ora farany. Ny 15 aogositra no notendrena ny governemanta, niantso azy ny Filoha ny 12 aogositra hoe: tena misy olona ao anaty lisitra nomen-dRatsirahonana tiany hatao minisitra, efa nilazana ilay olona izay any Frantsa handray fiaramanidina. Betsaka ny lisitra anatin’ny AVI, dakan’ny alika ny dokotera, fa tsy hoe tsy manana olona izany, hoy izy.
ATSAHARO NY FIFANDRANITANA
Niantso fanatsaharana ny fifandranitana amin’ny tambajotran-tserasera ity Filohan’ny AVI ity. Amin’ny fifidianana zavatra hafa, andavanandro izao tsy maninon-tsy maninona ilay olona, amin’ny fiainana andavanandro izao dia avy ny sasany hoe: “Dada e, Dadan’ialahy tsy lany intsony”, “Dadan’ialahy tsy mpandoa hetra “,… inona no hidiran’izany any anaty Facebook? Ianao no eo amin’ny fitondrana dia inona raharahaianao izay dada any? Ahoana no hisy fihavanana amintsika Malagasy mifandrangitra ohatran’izany? Avy ihany koa ny sasany any ambadika hoe: “ialahy raindedaka” dia ahoana no hisian’ny fihavanana amin’izany? Ny minisitra vehivavy sasany mahazo anaram-bositra manahirana ny mihaino azy. Ny minisitra tokony ho maodely eto amin’ny tany sy ny Fanjakana,… hoy I Norbert Lala Ratsirahonana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT