Politique

Rasoamalala Odette Brenda Mbola miombona tanteraka amin-dRavalomanana i Alaotra Mangoro


  • Alakamisy 18 Oktobra 2012

Nahomby ny fitetezam-paritra nataonay tany amin’ny Distrikan’Amparafaravola sy Ambatondrazaka ary Andilamena tany Alaotra Mangoro, hoy ny CT Rasoamalala Odette Brenda.

 Izao vao mazava amin-dry zareo ny fipetraky ny toe-draharaham-pirenena iainana ankehitriny. Hatreto dia mbola miombona tanteraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny vahoakan’Alaotra Mangoro. Mampanantena izahay fa mbola hotazoninay ny laharana voalohany rehefa ho tonga ny fifidianana ho filoham-pirenena. Tsy hianona amin’ny fahavononana fotsiny anefa izahay fa hijoro avy hatrany tsy ho goragora amin’ny fanaraha-maso ny firosoana amin’ny fanomanana ny fifidiana. Efa mandehandeha any ho any sahady mantsy ny teti-dratsy hangalaram-bato amin’ny fifidianana ho avy. Ambarako farany, hoy izy, fa velona ny antoko Tiako i Madagasikara any Alaotra Mangoro ary efa tafatsangana ny fiaraha-mitantana mitondra azy any an-toerana avy amin’io fitetezam-paritra natao io. Mankahery manokana ny mponin’Anororo noho ny hain-trano nianjady tamin’izy ireo tamin’ny alahady alina ny CT Brenda ary mampanantena ny hitondra ny raharaha eo anivon’ny namana rehetra ahazoana manao izay fanampiana azo hatao rehetra. 

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT