Politique

Rasamimaka Mahefalahy “Tsy misy aminay izany Repoblika faha-4 izany !”


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010

Samy nanana ny heviny ny olona sy ny mpanao politika mikasika ity resaka Repoblika faha-4 nankalazaina be ny sabotsy 11 desambra lasa teo ity.

Repoblika faha-4 ahoana ? Ho an’Atoa Rasamimaka Mahefalahy dia nambarany mazava fa «aminay sy ny mpiara-dia aminay, dia tsy misy io lalàmpanorenana io sy izany Repoblika faha-4 izan. Na ireo onjam-peo iraisam-pirenena aza mahatsapa, tahaka ny Malagasy mitsinjo lavitra, fa tsy mitondra fahatoniana eto izao tery vay manta izao noho izy hevitry ny FAT sy ny mpiara-dia aminy fotsiny fa tsy hifanarahana amin’ny maha-olana politika mila fifanarahana politika ny krizy misy eto amintsika». Nohamafisiny hatrany koa fa «na izy samy ao anatin’ny FAT sy ny mpanohana azy aza efa milaza fa tsy mety ary tsy mitondra fahatoniana ity lalàmpanorenana noteren-ko masaka ity, ka inona ny fitoniana ho hisy eto. Matoa i Guinée tafavoaka noho ny fifanarahana nifanaovan’ny samy mpanao politika mifaningotra tamin’ny olana, ny tao Côte d’Ivoire aza efa nisy fifanarahana efa ho 5 taona nefa mbola ireny no niafarany. Manahy ny ho ratsy kokoa atsy ho atsy izahay matoa mangataka fiarahana mitantana sy fifanarahana politika matotra sy hajaina».

Nambaran-dRasamimaka Mahefalahy ihany fa «raha nanana vola be amina miliara nolaniana nanaovana lanonana seho ivelany fotsiny ity sy hilazana fa efa mivaha ny krizy malagasy ity ny FAT, dia tsy aleo ve natao izay hahavoky ny Malagasy, ny vary izao jereo ny vidiny, ny ao Androy izay nambara fa navitrika tamin’ny fandehanana nifidy, kere tsy misy mpijery».

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT