Sambany teo amin’ny tantaran’ny fitondram-panjakana teto Madagasikara tao anatin’ny 50 taona nahazoana ny fahaleovantena, no voasazy iraisam-pirenena tahaka izao ny mpitondra sy izay milaza azy ho mpitondra.
Krizy efatra no nandalovan’ny Malagasy, Repoblika telo no nijoro teto ankoatra ireo tetezamita sy fitondrana miaramila napetraka teto. Tamin’ity Fahefana Avon’ny Tetezamita ity vao nisy izao fanasaziana manala-baraka ny Malagasy iray manontolo izao, na tsy ny Malagasy rehetra aza no voakasika fa anarana manokana. «Matoa misy ny fanasaziana, tahaka ny eny amin’ny fitsarana, ny fiarahamonina, ny anaty fianakaviana ary eny anivon’ny tokantrano, dia nisy izay ny tsy nety natao, ny heloka vita ary ny tsy fanarahana ny lalàna», hoy indrindra Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana sy mpikambana amin’ny ankolafy Madagasikara Toamasina. Nambarany hatrany koa fa «tsy maintsy izay manana fahefana ambony no afaka manome ny sazy, ary ny olona voasazy dia tsy maintsy mamita izany ary tsy afaka manana ny zo tokony ho azony, fa tsy maintsy misy ampahany esorina aminy». Na izany aza dia nohazavainy koa fa «matoa mirotsaka tahaka izao ny sazin’ny GIC-M, dia mitombina avokoa izany ny zava-nisy teto tao anatin’ny herintaona, ny fanonganam-panjakana, ny tsy fanajana ny tany tan-dalàna, ny famonoana ny lafiny toekarena sy sosialy ary ny tsy fanatontosana ny teny nomena sy ny sonia natao». Raha nanohy ny fanazavany i Rasamimaka Mahefalahy dia nilaza mazava fa «mahagaga ihany raha minisitra misahana ny fitsarana, izay mahalala tsara ny dikan’ny hoe voasazy sy amoahana sazy, no sahy milaza fa tsy matahotra sazy. Aza gaga isika raha hanao tahaka izany avokoa ny olona ho voaheloka sy ho melohan’ny fitsarana manomboka izao».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.