Politique

Rasamimaka Mahefalahy : «Matoa misy ny sazy, dia nisy izay ny heloka natao»


  • Alatsinainy 22 Martsa 2010

Sambany teo amin’ny tantaran’ny fitondram-panjakana teto Madagasikara tao anatin’ny 50 taona nahazoana ny fahaleovantena, no voasazy iraisam-pirenena tahaka izao ny mpitondra sy izay milaza azy ho mpitondra.

Krizy efatra no nandalovan’ny Malagasy, Repoblika telo no nijoro teto ankoatra ireo tetezamita sy fitondrana miaramila napetraka teto. Tamin’ity Fahefana Avon’ny Tetezamita ity vao nisy izao fanasaziana manala-baraka ny Malagasy iray manontolo izao, na tsy ny Malagasy rehetra aza no voakasika fa anarana manokana. «Matoa misy ny fanasaziana, tahaka ny eny amin’ny fitsarana, ny fiarahamonina, ny anaty fianakaviana ary eny anivon’ny tokantrano, dia nisy izay ny tsy nety natao, ny heloka vita ary ny tsy fanarahana ny lalàna», hoy indrindra Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana sy mpikambana amin’ny ankolafy Madagasikara Toamasina. Nambarany hatrany koa fa «tsy maintsy izay manana fahefana ambony no afaka manome ny sazy, ary ny olona voasazy dia tsy maintsy mamita izany ary tsy afaka manana ny zo tokony ho azony, fa tsy maintsy misy ampahany esorina aminy». Na izany aza dia nohazavainy koa fa «matoa mirotsaka tahaka izao ny sazin’ny GIC-M, dia mitombina avokoa izany ny zava-nisy teto tao anatin’ny herintaona, ny fanonganam-panjakana, ny tsy fanajana ny tany tan-dalàna, ny famonoana ny lafiny toekarena sy sosialy ary ny tsy fanatontosana ny teny nomena sy ny sonia natao». Raha nanohy ny fanazavany i Rasamimaka Mahefalahy dia nilaza mazava fa «mahagaga ihany raha minisitra misahana ny fitsarana, izay mahalala tsara ny dikan’ny hoe voasazy sy amoahana sazy, no sahy milaza fa tsy matahotra sazy. Aza gaga isika raha hanao tahaka izany avokoa ny olona ho voaheloka sy ho melohan’ny fitsarana manomboka izao».

Fanombohana fotsiny raha ny fahitana iny sazy navoakan’ny GIC-M tamin’ny alalan’ny Filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina iny fa hanaraka iny avokoa ny ankamaroan’ireo fikambanana iraisam-pirenena, satria raha ny raharaha malagasy, dia efa nahitana azy ireo ka «matoa izy ireny tsy nanakana ny famoahana ny lisitra natao iny, dia manaiky ny zavatra tapaka iraisam-pirenena ho fandaminana an’i Madagasikara ihany koa». Voalazan-dRasamimaka hatrany koa fa «ny Malagasy tsy mila olona voasazy hitarika azy, lasa mampiana-dratsy ny taranaka izany ary mahatonga ny gaboraraka hanjaka eto amin’ny firenena». Tsy nisalasala koa ity mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana sy mpikambana amin’ny ankolafy Madagasikara Toamasina ity nilaza ny ho fahitany ny mety ho tohin’ny raharaha, ka nanambarany fa «mety hisy rafitra hafa mety hapetraka ireo GIC-M ireo eto amintsika. Izany no hitranga dia hanavotana an’i Madagasikara satria izay fifidianana hitranga eo raha tsy hiarahana dia vao mainka hanamafy ny sazy ary hitondra korontana vaovao indray eto amintsika». Ankoatra izay, dia manara-maso ny zava-misy eto Antananarivo ny ankolafy Madagasikara ao Toamasina, tsy mbola tena misy ny hetsika fa miankina amin’ny fanapahan-kevitra miainga avy amin’ny foibe avokoa, na efa mieritreritra hanomana hetsika ho fanavotam-pirenena aza ireo ao Toamasina ankehitriny.
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT