Naneho ny heviny mikasika ny zava-nitranga teto amin’ny firenena nandritra iny taona 2010 nivalona iny, Atoa Rasamimaka Mahefalahy, ka aminy dia «be loatra ny miiba noho ny miabo nandritra iny 12 volan’ny taona lasa iny. Tratry ny olana koa tao anatin’izay ny mpanao politika, ka betsaka no nipatitaka vokatry ny krizy ara-politika».
Isan’ny mpitarika ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) Toamasina Atoa Rasamimaka M, ka nanaovany tatitra ny fiainan’ity antoko ity izay nilazany fa «isan’ny nitondra olana goavana ho an’ny antoko iny taona 2010 lasa iny, nahatonga ny mpikambana sasany nisintaka noho ny antony tsy dia mazava loatra, tsy tao Antananarivo ihany, fa ny teto Toamasina ihany koa». Nomarihiny hatrany anefa fa «tsy nampisy olana teo amin’ny fototra TIM izany, mbola miray hina sy manohana ny politika efa nizorana hatramin’izay hatrany ireo fototra».
Amin’ny maha-mpiara-mitarika ny Ankolafy Telo azy, solotenan’ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina, dia nisy koa ny fanehoan-kevitra nataony momba iny taona 2010 nivalona iny izay nilazany fa : «tsy tahotra na hoe tsy fahasahiana no nisafidianana ny hangina sy tsy nanaovana hetsika tetsy sy teroa, fa safidy nifanaovan’ny Ankolafy Telo izany noho ny fahatsapana fa tena efa mahantra sy tena ao anatin’ny fahoriana ny vahoaka ; tsy midika izany fa tena nangina izahay, nisy hatrany ny fifampitam-boavao eo amin’ny samy mpikambana». Ankilan’izay, dia mbola nambarany hatrany fa «ireo fandarahan’asa navelan’ny teo aloha avokoa ireo mbola mandeha hatramin’izao ireo, hita taratra aza ny fandikana ny MAP amin’ny asa atao, menatra milaza ny marina ny FAT dia miafina ambadika fa mahavita».
Ankoatra izay, dia nomarihan’ingahy Rasamimaka hatrany fa : «na rivotra mitsoka, na orana mifafy dia mbola eto foana izahay mitaky ny ara-dalàna sy ny hamerenana izany ary tsy hiova amin’izany koa. Raha tsy misy mantsy ny vahaolana alohan’ny faran’ny volana martsa izao, dia tena hatahorana ny hipoiran’ny olana ara-tsosialy goavana, ka hifamono noho ny fitadiavan-kanina sy hamelomanana ny ankohonana ny samy Malagasy». Mbola nanohy ny fanzavany izy ka nilaza fa : «hatramin’izay niainako ka nahitako krizy teto amintsika, afa-tsy ny taona 72, dia ity no krizy nahitako vahoaka nijaly be indrindra sy naharitra indrindra, nefa mahari-pery ny Malagasy ka tsy miteny, ny atahorana anefa dia efa manomboka hita taratra ny adin-tsainy amin’ny tsy fisian’ny tsiky eny an-dalana intsony mampalaza antsika, efa manamarina sy ahitana izany ireo trangana tsy filaminana sy tsatok’antsy ary famonoan-tena samy hafa hita amin’izao fotoana izao». Nanolotra soso-kevitra anefa Me Rasamimaka fa «mila miverina amin’ny filozofia tena Malagasy isika, mila tena mijery ny fitiavan-tanindrazana marina ary sahy mirehereha fa Malagasy, tsy ho menatra hijoro amin’izany ary mila miverina amin’Andriamanitra indrindra ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.