Mandalo kihon-dalana ratsiratsy ho an’ny firenena isika ankehitriny satria heverina fa andraikitry ny governemanta ny mijery ny vahaolana maharitra ho an’ilay firenena miaina anatina krizy,
hoy ny mpahaitoekarena, Rasambany Alain Désiré. Niaraha-nahita ny zava-nisy tao anatin’ny fitantanana ny Covid 19, hoy izy. Hitantsika ny fifanakalozana politika niarahana tamin’ny vondrona eoropeanina fa mitaky ny mangarahara izy ireo. Tsy tokony ho nanao izany izy ireo raha nisy izay mangarahara izay na teo amin’ny fividianana fitaovana samihafa na fitantanana ankapobeny fa hitantsika koa ny famonoan’afo ary ireny rehetra ireny dia mari-drefy azo ijerena ny tsy fahamatoran’ny governemanta ao anatin’ny fitantanana raharaham-panjakana. Tsy tokony ho tompon-trano mihono manoloana izany ny vahoaka Malagasy. Ny any amin’ny olona rehefa misy tsy mifanaraka amin’ny heritreriny dia lasa izy midina an-dalambe mitaky sy maneho hevitra mba hahafahan’ny governemanta manitsy ny ataony. Izahay antoko politika efa manao ny ezaka amin’ny fampanenoana lakolosy isan’andro, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.