Mafampana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Eo ny krizy ara-toekarena, fa ny krizy ara-tsosialy sy ara-politika ihany koa mandindona mafy.
Tsy voafehin’ny fitondrana ny fitantanana sy ny fifehezana ny firenena. Nesorina noho ny afera mampanahy amina miliara maro ny minisitra ao anaty governemanta amin’izao efa krizy lalina izao, fonja roa no vaky tao anatin’ny andro vitsivitsy, nafana ny fifandonan’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka tany Toamasina izay toerana nahazoan’ny Filoha vato betsaka tamin’ny fifidianana, ny governoram-paritra amina faritra maromaro tsy voatendry,… Toa mbola mahavita mihantsy ady ny fanjakana, toy ny raharaha Rovan’Antananarivo izay vakoka maha Imerina an’Imerina sy Madagasikara manontolo mihitsy aza. “Izay mpitondra nifanesy nanao tsy mety tamin’io Rova io, dia niongana avokoa”, hoy iray mpitarika ireo taranak’andriana, saingy nampiaka-peo sy mametraka ny fahefany na ny “pouvoir régalien” ihany koa ny mpitondra fa tsy te hahalala izany. Tsy te hihaino ny hafa sy miezaka manamarin-tena. Mbola nisy ny fampitenenana ireo depiote lany tamin’ny anaran’ny IRD, toa valin-kafatra ho an’ireo saro-piaro amin’ny fikitihana sy fananganan-javatra eny Anatirova hoe: tsy nametraka didim-pananana ny mpanjaka hoe an’ireo andriana ny Rova. Raharaha hafa ihany koa ilay fisamborana an’i Berija Ravelomanantsoa, izay mpiara-dia tamin’ny fitondrana teo aloha, izay adikan’ny olona ho fanenjehana politika mazava ho azy. Nanaitra ny fahenoana afak’omaly fa nisy ihany koa ny fitazonana ny reniny, ny zandriny, ny vady aman-janany. Mety hiseho sy fahita eto ny fisamborana mpanao politika, fa ny fitazonana zaza tsy manan-tsiny na ny ankohonana dia miteraka fihetseham-po sy fahatezerana ho an’ny Malagasy foana na inona na inona mety ho fahamarinan’ny fanenjehana. Asa fotoana tokony hananganam-pahavalo sy handrehetana afo ve izao vanim-potoana efa mahabetsaka ny fahasosorana izao?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.