Politique

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?


  • Talata 25 Jona 2019

Zary efa maty izany tafika ana habakabaka Malagasy izany satria tena tsy misy fitaovana intsony.

 

 

 Nankeny Betongolo teny amin’ny fetin’ny Fololoalindahy ny filoha Andry Rajoelina, ka fiaramanidina efa tamin’ny taona 1940, izay tena mampalahelo no hitany. Efa nividy fiaramanidina miisa 5 isika, hoy izy. Notsenainy teny Ivato izany omaly ka samy hita teny na fiaramanidina na angidimby na koa fiara ho an’ny tafika. Ho avy eto i Paul Kagame, ka hoy aho hoe ny Malagasy mahavita azy ka izao ny tafika Malagasy manana angidimby miisa 4, fiaramanidina miisa 5, ary eo ihany koa ilay fiaramanidina Casa iray. Handray anjara amin’ny fampisehoana hataon’ny tafika eny Mahamasina rahampitso ireo fiaramanidina 5 vao novidiana ireo, hoy izy. Ny 18 jona teo ny minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Léon Richard dia nitsidika ny andiany faha-53 tamin’ny hetsika iraisam-pirenen’ny fiaramanidina sy ny tontolony fanao any Bourget Paris na « Salon du Bourget 2019». Nijery ireo fitaovana mety ilain’ny tafika, ka mety tany no nividianana ireo fiaramanidina 5 vaovao. Zava-dehibe ny fampitaovana ny tafika, ary hita ho tena miezaka ny filoha. Tsy misy kosa anefa na iviny kely aza ny fangaraharana satria tao anatin’ny 5 volana izany dia nahavidy fiara tsy laitram-bala roa ny fanjakana, angidimby miisa 4 izay mbola misy mitondra ny laharana Afrikanina Tatsimo, fiaramanidina marika Casa iray, fiaramanidina hafa miisa 5, fiara tsy mataho-dalana 134. Tsy nisy voafaritra tao anaty tetibolam-panjakana ireo ka volan’ny filoha manokana ve ? Sa kosa fifanarahana amina mpiara-miombon’antoka ? Inona no tambiny raha izay ? Tena tsy mazava ary ahiana ho avy amina famotsiam-bola na afera maizina sy avo lenta.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT