Politique

Ranomasimbe indianina Lehibe indrindra kanefa rambony i Madagasikara


  • Zoma 29 Jolay 2022

Lehibe indrindra fa rambony indrindra amin’ireo firenena rahavavintsika aty amin’ny ranomasimbe indianina amin’izao fotoana izao I Madagasikara raha ny tondro navoakan’ny tahirim-bola iraisampirenena ny taona 2021 no jerena.

I Madagasikara izay manana velaran-teny mirefy 587.041km2, manana velarantany azo hamokarana hatramin’ny 8.000.000ha kanefa dia ny 1 Dolara amerikanina dia mbola manodidina ny 4074,89 Ariary. Mitentina 495,49 USD kosa ny harinkarena isaky ny mponina na ‘’PIB par habitant”, raha ny tarehimarika voaray ny taona 2020 kosa. Faha 189 amin’ireo firenena miisa 194 isika, raha resaka fandrosoana no ambara. Ny 26 jona 1960 nefa no nomena fahaleovantena. Etsy ankilany kosa ry zareo maorisianina izay nahazo fahaleovantena ny 12 martsa 1968 dia mirefy 2040 km2 ary zara raha manana tany azo amokarana mitotaly 86.000ha. Ny 1 Dolara amerikanina anefa dia 45,50 Roupies maorisianina. Mahatratra 8622,68 USD ny azy ny harinkarena isaky ny mponina. Faha 66 amin’ny firenena 194 izy. Ry zareo avy atsy Seisely aza moa ny 29 jona 1976 vao nahazo fahaleovantena ary nosy kely tena bitika mirefy 458,4km2. Zara raha manana velarantany azo amokarana 1003ha kanefa ny 1 Dolara USD dia 12,92 Roupies seiseloa. Mahatratra 11.425,09 USD kosa ny PIB isaky ny mponina ny azy. Amin’izao fotoana izao raha nanao fanambarana ny filoham-pirenena Malagasy fa mety hampindram-bola an’I Kaomoro dia ny nifamadika tamin’izany no nitranga. Ry zareo indray no nampindrana antsika. Nanampy mihitsy aza! Ny volamenantsika koa vitan-drizareo ny mangeja azy any an-taniny any. Asa hoe inona no mbola hitranga ankoatran’ireo atsy ho atsy fa dia samy mahita aloha ny mpanara-baovao fa tena mitafy henatra ankehitriny ny firenena malagasy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT