Vitsy ny antoko politika miroso amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana amin’ny alalan’ny fametrahana taratasy filatsahan-kofidiana, hoy ny mpahay lalana, Ranesa Firiana, raha naneho ny fahitan’ny fahavitsian’ny dosien’ireo mpilatsaka ho loholona hatreto.
Ny antony dia tsy nandray andraikitra ireo antoko politika eto Madagasikara sy nahatontosa ireo adidy napetraka amin’ny mpanao politika sy antoko politika izay voalazan’ny lalana sy ireo fitsipika ankapobeny fantatra momba ny raharaha politika izany dia ny hoe mijoro sy hasaina handray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena ny antoko. Asaina handray andraikitra eto amin’ny firenena indrindra amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana amin’ny alalan’ny fandrotsahana olona ho fidiana. Tsy nanao izay ny ankamaroany nefa ny fifidianana loholona dia ireo mpifidy vaventy, izany hoe, olom-boafidy dia ny mpanolontsain’ny tanana sy ny ben’ny tanana isan-karazany no lasa mpifidy. Rariny raha vitsivitsy no mandray anjara satria izay antoko efa nandray anjara tamin’ny fifidianana ihany, manana olona hifidy azy, mety hifidy ny olona natolony no vonona handray anjara amin’izany fa raha antoko politika tsy manana ben’ny tanana na mpanolontsain’ny tanana na iray aza dia efa fantatra fa tsy ahazo vahana mihitsy ao anatin’izany fifidianana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.