Manoloana ny fisiana fitokonana maro eto amin’ny firenena ankehitriny dia
nanazava mikasika ny lalana momba izany ny mpahay lalana, Ranesa Firiana. Mitovy amin’ny fitsipika ankapobeny manerana izao tontolo izao, hoy izy, ny lalana sy fitsipika momba ny fitokonana eto Madagasikara. Ny fomba enti-manatanteraka no maha samihafa azy. Matetika afangaron’ny olona ny fitakiana eo amin’ny lafiny asa sy politika. Ny zo hitokona dia zon’ny mpiasa. Raha misy tsy fahafalian’ny mpiasa amin’ny lehibe dia eo amin’ny faritry ny toeram-piasana no tokony anaovana fitokonana. Tsy misy fangatahana alalana atao amin’ny rafi-panjakana misy amin’izay fotoana izay. Raha ny tokony ho izy dia mampahafantatra amin’ny lehibe eo anivon’ilay toeram-piasana mikasika ny fisian’izay fitokonana izay ireo mpitokona. Tsy manohitohina ny zo sy fahalalahan’ny asa hivezivezy fa fitakiana anaty sehatry ny asa. Raha misy fiheritreretana hivoaka ivelan’ilay toeram-piasana dia efa lalana hafa indray no mamaritra azy. Raha miheritreritra ho tsy henoin’ny mpitantana ka miheritreritra ny hanao hetsika an-kalamanjana na anaty lalam-bahoaka kosa dia mila maka alalana amin’ny manam-pahefana tomponandraikitra amin’izany. Heloka sy fandikan-dalana ny tsy fisian’izay alalana hitokona izay raha toa ka mbola mitokona ireo mpanao fitokonana. Eo no ilana ny fahaiza-manaon’ny mpitarika satria tsy maintsy hiafara amina latabatra boribory foana ny fitakiana sy ady rehetra na aiza na aiza. Azon’ilay mpitarika atao koa, noho izany, hoy hatrany izy, ny manao izay fomba hahatongavana amin’izay fifampidinihina an-databatra boribory izay
. J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.