Randrianasolo Bruno

> Nisy niova ny vontoatin’ny Lalŕmpanorenana


  • Zoma 14 Martsa 2014

Mitombina ny maha tsy nifanarahana an’io Lalŕmpanorenan’ny Repoblika fahefatra io, hoy Randrianasolo Bruno, filoha mpiara-mitantana ny «Ligue Africaine des Droits de l’Homme et des Peuples» eto Madagasikara.

Ny antony dia satria tsy io nolaniana tamin’ny taona 2010 io no nifanarahan’ireo mpizaika avy amin’ireo sehatra maro nikaon-doha teny amin’ny CCI Ivato mialoha ny hanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka. Io ny vokatry ny hevitra bontolo sy tery vay manta nitranga teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny taona 2009 izay mbola ahitana taratra izany amin’izao fanendrena ny praiminisitra hiaraka hiasa amin’ny filoham-pirenena izao. Tsy hita taratra ao anatin’io Lalàna fototra io mihitsy ireo hevi-dehibe voarakitr’ireo fifanarahana iraisam-pirenena toy ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona na koa ny Dina Afrikanina miresaka ny Zon’olombelona sy ny mponina manerantany sy ny Dinan’ny Firenena mikambana. Tsy mbola marim-pototra ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahaleovantenan’ny fitsarana izay niadian-kevitra nandritra ny telo andro tamin’ny volana febroary 2012, hoy ny fanampim-panazavana avy amin’ity mpitarika Malagasy ny LADHP ity. Tsy ny fisian’ny Lalàmpanorenana loatra amin’ny fitantanana ny firenena no zava-dehibe fa ny fanajana izay voasoratra ao. Adihevitra diso tanteraka aminy ny fandikana samihafa izay voasoratra ao anatin’ny andininy isanisany fa ny fametrahana amin’ny toerany ny sata sy ny hasin’ny Lalàna fototra miampy ny soatoavina malagasy no antoka lehibe hisian’ny fiarahamonina mirindra ao anatin’ny fampandrosoana. Goavana indrindra amin’ireo ny fanajana ny zon’olombelona.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT