Randrianary José

> “Tokony hifanarahan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy i Jean Louis Robinson ny praiminisitra”


  • Zoma 14 Febroary 2014


Tokony hipoitra avy amin’ny diniky ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy Jean Louis Robinson ny ho praiminisitra lehiben’ny governemanta ao anatin’ny Repoblika fahefatra, raha araka ny nambaran-dRandrianary José, filoha lefitry ny fikambanana ARD na ny Alliance pour la Restauration de la Démocratie. Izy roalahy ireto mantsy no nahazo ny vato betsaka indrindra teto amin’ny firenena ka rariny omena fahefana betsaka raha amin’ireo solombavambahoaka izay nahazo vato tany amin’ny faritra nisy azy avy tany, hoy izy. Praiminisitra iraisana no hotendrena amin’izany. Raha araka ny fanazavan-dRandrianary José ihany moa dia efa mifanatona izy roalahy ireto ankehitriny. Tokony hohamafisina izany entina hamahana ny olana ateraky fiadian-tseza satria samy mitady hanendry praiminisitra avokoa ny rehetra ao amin’ny Antenimieram-pirenena na mpanohitra izany na mpanaraka ny fitondrana. Sahirana ny sain’ny vahoaka vokatr’izany. Anjaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina no manolotra izany eo anivon’ny solombavambahoaka, hoy ihany ity filoha lefitry ny ARD ity aorian’izay.

 

 

Pati

 

 


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT