Randrianaivo Eric

> “Lasa i Andry misolo Rajoelina”


  • Alarobia 22 Janoary 2014

Ho an’ny Malagasy, hoy ny MCT Randrianaivo Eric, ny mpanao politika dia ireo olona efa malaza ihany no fantany. Simba anefa matetika ny sary hita, hoy ity MCT ity, satria lasa ny sary ratsy asehoan’ireny mpanao politika ikoizana ireny hatrany no mibaribary ety ivelany.

Samy hafa amiko, araka izany, ny olona mpanao politika sy ny olona nianatra politika. Raha ny fahitako ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny indray kosa, hoy ny MCT Eric, dia misy lafiny mazava tsara ametrahana azy. Raha ohatra ka natao ny fanadihadiana politika dia ny 50%-n’ny Malagasy, eny hatramin’ireo mpomba ny fitondrana aza, no samy nilaza sy nanizingizina fa tsy mety intsony io tetezamita io, andao hirosoana ny fifidianana. Raha ny marina dia nahitana elanelan’isa be tsy azo navadika no nivoaka tao anatin’izany, vato tsy azo nangalarina. Fa saingy tsy izany no niseho fa niala amin’i Andry ny vahoaka dia miditra Rajoelina ary raha izao fisehoan-javatra izao dia inoana fa i Andry Rajoelina no ho eo amin’ny taona 2018. Mety ho resiny mihitsy ny zava-bitan’ny filoha Didier Ratsiraka teo amin’ny fitantanana ity firenena ity satria 5 taonan’ny tetezamita nampiana 5 taona Rajaonarimampianina/Rajoelina dia avy eo 5 taonan’i Andry Rajoelina hisesisesy hanomboka amin’ny 2018. Fehiny dia azo ambara fa tian’ny vahoaka Malagasy ny fitondrana tetezamita izay mbola notohizany tamin’ny fametrahana an’i Hery Rajaonarimampianina ho filoha ankehitriny. Masina ny safidy ka tsy tokony hozimbazimbaina.

 

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT