Politique

Randriampilamanana Rostand Ampodio ireo sesitany politika dia ataovy ny fifidianana


  • Alarobia 31 Oktobra 2012

Tsy maintsy tanterahina ny fodian’ireo sesitany politika.

 Ao anatiny ny Filoha Marc Ravalomanana raha vahaolana politika hitondra filaminana hiatrehana fifidianana no hatao eto Madagasikara, hoy ny CT Randriampilamanana Rostand, avy amin’ny Ankolafy Ravalomamanana, tafaresaka tamin’ny mpanao gazety. Efa im-polo kely ny Malagasy no nilazan’ny Filoha Marc Ravalomanana, hoy izy, fa hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena indray izy. Araka izany dia tsy misy hisalasalana mihitsy ny fahavononany hiatrika fifidianana. Mahaga ny sasany izay maimay hiatrika fifidianana nefa tsy milaza hoe hilatsaka na tsy hilatsaka.

Ny zavatra atao tsy mifanaraka amin’izay ka izao, hoy ity mpampakateny eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ity, no angatahanay eto hoe : 8 novambra 2012 dia tapitra ny enim-bolana alohan’ny 8 mey 2013, fepetra takian’ny lalàna fa dia tsy maintsy eto an-toerana izay kandida rehetra. Ka ho anay Ankolafy Ravalomanana, hoy izy, ampodio alohan’ny 8 novambra 2012 ireo sesitany any ivelany rehetra raha te-hiresaka fifidianana amin’ny 8 mey 2013.

Tapitra ny 8 novambra 2012, aminay kosa angamba, raha mbola hiaraka ato anatin’ny hoe fitondrana iaraha-mitantana tsy mila miresaka fifidianana amin’ny 8 mey 2013 intsony fa mila miresaka fifidianana amin’izay mahamety, amin’izay fotoana ahafahana manatanteraka azy am-pilaminana. Fa ny fifidianana tetehana atao amboletra amin’ny 8 mey 2013 nefa ny sesitany politika tsy ampodiana, ny gadra politika tsy avoaka dia fifidianana hitondra korontana. Ka hoy izahay hoe : mbola lavitra ny 8 novambra 2012, azo tanterahina tsara tsy miankina amin’ny SADC izany, tsy miankina amin’ny Vondrona Eoropeanina fa miankina amintsika Malagasy eto ka ampodio ny sesitany any ivelany dia ataovy ny fifidianana.

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT