Randriamitantsoa Simon

> Voatendry ho PDS-n’ny Kaominina Fandriana


  • Talata 25 Febroary 2014

Efa am-perinasa tanteraka amin’izao fotoana izao ny filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina ambonivohitra Fandriana taorian’ny fahafatesan’ny Ben’ny tanàna mpisolo toerana roa volana lasa izay.

Dokotera Randriamitantsoa Simon, izay talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania teo aloha, no notendren’ny fanjakana ho PDS ao Fandriana. Zanak’i Fandriana rahateo ny tenany sy ampy traikefa ka nanaiky ny fanendrena azy. Nambarany tamin’ny vahoakan’i Fandriana nandritra ny kabary voalohany nataony tao Beapombo ny sabotsy 22 febroary teo fa mbola maro ny asa mila fanarenana ao Fandriana, anisan’izany ny fandaminana ny tsena, fanatsarana ny abatoara, fanorenana toby fiantsonan’ny fiarakodia vaovao ao Ankilahila ary fisavana ireo lakandrano maro hanondrahana tanimbary. Mbola hita taratra ao Fandriana koa ny loton’ny tanàna ka nangataka fiara kamiao lehibe hitatitra izany ny tenany. An-dalam-pahavitana kosa ankehitriny ny fanatsarana ny biraon’ny Kaominina ao Fandriana.

 

 

Rado

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT