Politique

Randriamamiarizafy Ignace Tsy azo hanaovana n'inona n'inona ny vakoka


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Efa tamin'ny taona 1996 nahatonga antsika Malagasy ho zanatany Frantsay no notsoahin'ity mpanjanaka ity ny fahefana ara-politika sy ara-tsosialy nananan'ny mpanjaka teto Imerina, hoy Randriamamiarizafy Ignace dokotera jeografy,

 

 

  ka lasa vakoka sisa ny Lapan'i Manjakamiadana sy ny toerana misy azy iray manontolo. Na izany aza ety an-kilany dia tsy nofoanan'izy ireo kosa ny hasina maha-mpanjaka an'ireo mpanjaka tany amin'ny Faritra hafa toy ny any Atsimo Atsinanana sns... Hoan'ny eny Anatirova Antananarivo kosa dia lasa vakoka sisa ka tsy azo ampiasaina sy anaovana n'inona n'inona intsony afa-tsy ny fanarenana azy amin'ny laoniny raha misy fahasimbany sanatria. Tamin'ny andron'ny mpanjaka dia fantatra fa tompon'ny fahefana tanteraka izy ary azy izany Rova natsangany izany izy ka azony nitoerana sy namboarina araka izay nilavany azy ary hifandovan'ny taranany koa. Ho an'ny fitondrana Repoblikana taty aoriana kosa dia nindramina tamin'ny vahoka ny fahefana ananany ka tsy maintsy haverina amin'ny vahoaka rehefa miala eo amin'ny toerany izy. Izy dia ny fiarovana ny rova tsy ho simba ihany sy ny mamerina azy toy ny taloha raha sanatria misy simba no azony atao ao.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT