Tsy tokony hihemotra intsony io datim-pifidianana io fa efa maromaro ireo mpanampy ara-bola mikasika izany, hoy ny mpanao politika mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Randriamahefa Henri Charles.
Tokony haompana any ny hery rehetra izao, fa io fifidianana io ihany no handaminana ny tany sy fanjakana. Mbola miantso ny FFKM ny olona, hoy izy, satria mbola ankatoavin’ny Malagasy maro ny raiamandreny ara-pinoana. Ny tokony holazain-dry zareo kosa izao dia ny fampihavanana ny mpanao politika sy ny miaramila mampikatso ny fifampidinihan’ny samy Malagasy. Ho an’ireo izay miantsoantso sy mihiakiaka ao Anosikely sy Tsimbazaza, hoe tsy mandeha intsony izao fitondrana izao, dia nanipika mazava Randriamahefa Henri Charles fa toa manadino ny maha mpitondra azy ireny namana ireny, ka amiko dia tokony hiala amin’io andraikitra sahaniny io izy ireo ka hijoro amin’ny maha mpanohitra azy ety ivelan’ny fitondrana ka afaka mihiakiaka any amin’izay toeran-kafa tiany hanaovana izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
F’angaha moa tsy hoe lapan’ny demokrasia indray Tsimbazaza sy Anosikely, no tsy mahazaka tsikera ka mifanilikilika. Sa mbola te hiverina amin’ny manjaka tokana indray itony mpanao politika itony ? Raha izay mantsy, dia tsy mahagaga raha mikatso ny famahana ny olana eto amin’ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.