Politique

Randrana sendikaly “Be loatra ny fandanindaniam-poana ataon’ny fanjakana”


  • Zoma 24 Jona 2022

Rehefa miresaka hoe fiakaran’ny saran-dalana dia mazava ho azy fa tsy maintsy voakitika anatin’izany ny mpiasa satria mbola vitsy ny orinasa miantoka fitaterana ho an’ny mpiasany, hoy ny Randrana sendikaly.

Maninona ny fahasahiranan’ny mpiasa sy ny vahoaka no efa enjana be amin’izao dia mbola hampitahorin’ny mpitatitra ihany hoe hampiakatra saran-dalana ho 1000 ariary izy, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana, Barson Rakotomanga? Fampitahorana ilay izy satria fanapahan-kevitra mbola tsy masaka akory. Tsy vao androany ny mpitatitra no niteny an’izany. Efa nisy ny toy izany teo aloha dia nifampiresaka amin’ny fanjakana dia hoe nahazo famatsiana na “subvention” 2 na 3 volana dia nangingina dia avy eo tsy hita. Hitantsika amin’izany ny fijalian’ilay mpisitraka fitaterana. Tokony hatsahatr’ireo mpivarotra solika koa izany hoe ampiakatra sy ny rehetra fa lasa atao kilalao ilay vahoaka. Tokony tapahana miaraka amin’ny fanjakana any ambadika any ilay izy rehefa hanapa-kevitra. Zavatra masaka no tenenina amin’ny vahoaka avy eo. Hitantsika io izao ny fisiana zavatra tsy voadinika tsara koa momba ny fisondrotana karama. Namolavola izany koa ny sehatra tsy miankina. Nivoaka tany amin’ny CNT mihitsy ny fakan-kevitra vao nalefa saingy ny fanjakana no nametra hoe mankanesa aty aloha fa hampiakatra izahay. Tokony hijery izao ny fanjakana hoe inona no tokony ataony mba tsy ho mafy be ny fiantraikan’izany vidin-tsolika sy saran-dalana izany amin’ny vahoaka malagasy? Tsy tokony hiditra amin’ity hoe “subvention” ity aloha ny fanjakana satria efa nisy izany teo aloha fa 3 volana dia tsy hita indray. Ny tsy fahaloavana ny karaman’ny ECD sy ny fisotroan-dronono ao amin’ny CNAPS aza tsy vita dia hitetateta amin’izany indray. Ny hetra alaina be loatra no tokony hahena be fa io no mampiakatra vidim-piainana. Be loatra koa ny fandanindaniam-poanan’ny fanjakana ka tokony hahena koa. Izahay sehatra tsy miankina koa anie ilainareo amin’ny 2023 e , hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT