Rampanjato

> «Manam-pahasahiana ny Filoha ka aleo ampiana»


  • Sabotsy 01 Martsa 2014


«Manam-pahasahiana ny Filoha ka mila tohanana», hoy Rampanjato, miaramila tranainy bekotro maroholatra. Anjara biriky entiny ny tolokevitra ho an’ny filoham-pirenena. Zava-dehibe ny nandravana ny FIS hoy izy, ary tsara raha tohizana amin’ny CAPSAT ka alefa any amin’ny “Génie militaire” ny miaramila ao fa any no tena asa. Ankino amin’ny sivily ny minisitry ny foloalindahy, hitandroana ny firaisankina sy tsy hidiran’ny lehibe amin’ny resa-politika. Manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny fanafihana mitam-basy ankehitriny dia mihevitra Rampanjato fa tokony hofoanana ny fanaovana fanompoam-pirenena ara-miaramila na “service civique”. Manahy aho, hoy Rampanjato fa mety olona avy nanao io adidy io ireny jiolahy mitam-basy mampihorohoro vahoaka ireny. Mbola eo amin’izay tontolon’ny foloalindahy izay ihany dia tolo-kevitr’ity mpiady tranainy ity ihany koa ny tokony handefasana misotro ronono ireo jeneraly maro ireo.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT