Vahinin’ny Tia Tanindrazana Atoa Ramisiarivo Casmir, mpampianatra amin’ny sekoly teknika, efa prôvizeran’ny lisea teknika tao Fandriana, Talen’ny CRNFP tao Ambositra teo aloha, efa filohan’ny filankevi-pitantanan’ny vondron’ny fampianarana ara-teknika tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena sy ny tontolon’ny fampianarana teknika.
Tia Tanindrazana (TT) : Ny sehatry ny fampianarana teknika no tena nahafantaran’ny olona anao, efa niditra teo amin’ny tontolon’ny politika ianao teo aloha teo ary nanohana kandida filoham-pirenena, ny fahitanao ny raharaha amin’izao ?
Ramisiarivo Casimir (RC) : Marina tokoa fa voafidy ary efa am-perinasa ny filoham-pirenena vaovao. Amin’ny ankapobeny dia mitovy amin’ny foto-kevitra nijoroanay ny foto-kevitra ijoroan’io filoha vaovao io izay mivoy ny firaisam-pirenena sy ny fihavanana. Zava-dehibe tokoa izany satria ny Firaisam-pirenena ho an’ny Fahafahana sy ny Fandrosoana izay novoizinay taty Amoron’i Mania nandritra ireny fifidianana in-droa nifanesy ireny no heveriko fa lakle mahomby hitondra antsika ho any amin’ny fampandrosoana. Rehefa tsy lany ny kandida filoham-pirenena notohananay tamin’ny fihodinana voalohany dia nanohana ity filoha vaovao Hery Rajaonarimampianina ity izahay tamin’ny fihodianana faharoa noho izy teknisianina sy manampahaizana. Resy lahatra izahay fa hitondra fiovana tokoa ity filoha vaovao ity raha ny teny efa nambarany no dinihana.
TT : Aminao manokana, governemanta toy inona no mety hiaraka hiasa amin’ny filoha vaovao ?
RC : Tokony ahitana taratra ny fisian’ny ankolafin-kery rehetra, olona manampahaizana, tokony ho teknisianina no maro an’isa ao ka afaka hahazaka tsara ny departemanta tazoniny. Ho an’ny fampianarana ara-teknika manokana dia olona mahalala io toerana io no tokony hitantana izany, mahalala tsara ny fomba fanabeazana teknisianina ambony, ary olona afaka hanova ny fandaharam-pampianarana hifanaraka amin’ny toetrandro ankehitriny. Mahavelom-bolo ny tenin’ny filoham-pirenena vaovao milaza ny hanatsara ny sehatry ny fanofanana arak’asa. Handroso tokoa i Madagasikara raha tanteraka izany.
TT : Mikasika izay fampianarana teknika izay, manana soso-kevitra hanatsarana izany ve ianao ?
RC : Fantatro tsara ny zava-misy niainan’io departemata io. Misy olana maro mila vahana ao mba hisian’ny firindran’asa mahomby, anisan’izany ny tokony hametrahana ny fampianarana teknika hahaleo tena tsy hitambatra amin’ny departemanta hafa. Maro ireo teknisianina afaka hampandeha io miniisteran’ny fampianarana teknika io izay inoako fa hampisy fanovana goavana. Miankina amin’ny olona mitazona ny minisiteran’ny fampianarana teknika anefa izany vao handeha. Vonona hiara-kifanome tanana amin’izany izahay efa nilomano ela teo anivon’ity fampianarana teknika ity.
TT : Teny hamaranana ny resadresatsika.
RC : Tsy misy fandrosoana hisongadina eto Madagasikara raha tsy manampahaizana ny tompon’andraikitra tsiraray. Tsindriko manokana ny sehatry ny fampianarana teknika izay ilana izany satria efa miaina ao anatin’ny fivoaran’ny teknôlôjia avo lenta isika ankehitriny. Ho an’ny mpanao politika gasy indray dia ampy izay ny fifanenjehana samihafa, andao hiaraka hampandroso ity Nosintsika ity ao anatin’ny firaisankina satria izany no lalana mahomby hiteraka fandrosoana maharitra.
Nangonin’i Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.