Politique

Ramboasalama TIMK25 “Hanarina sy hanorina isika”


  • Talata 21 Mey 2019

Nifamotoana tamin’ny vahoaka marobe teo amin’ny kianja Madera- Namontana ny kandidà Ramboasalama Emilien N°4 atolotry ny TIMK25 ao amin’ny boriboritany faha-4 ny faran’ny herinandro teo.

 

    

 Izy no hany kandida nahazo tsodrano tamin’i Marc Ravalomanana ao. Tsy niandry ho tonga eo amin’ny toerana maha solombavambahoaka izy vao hanao asa soa sy ho mpisolotena ny vahoaka, fa tonga dia mijoro ho ala olana. Ny fanompoan-tanindrazana no efa nanaovana fianianana tamin’ny vahoaka sy ho an’ny tanindrazana amin’ny naha-manamboninahitra ambony nandritra ny 35 taona mahery ka tsy avelako ho very momoka izany, hoy izy. Maro ireo fotodrafitrasa no efa tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana tsy nisy mpijery, toy ny fahazoana rano fisotro madio, ny lalankely, sy ny maro hafa,… Nanome toky fa tsy hitazam-potsiny, fa hanarina ary hanorina na dia tsy mbola eo amin’ny toerana aza ny kandida Ramboasalama. Hatao ny tolo-dalàna eny amin’ny Antemieram-pirenena, fa tsy maintsy hatao ihany koa ny fotodrafitrasa hanasoavana sy hanalana ny olan’ny vahoaka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT