Tokony hohamafisana ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina momba ny fanajana fitsipika sy fahaiza-miaina, hoy Atoa Ramboasalama Emilien, kandida depioten’ny TIM teny amin’ny boriborintany fahefatra.
Nahitsy ny teniny ary nilaza fa : “isika Malagasy dia tompondaka amin`ny tsy fanarahana lalàna. Fantatra fa misy lalàna mifehy io fa arakaraka ny hitenenana an`izany dia vao mainka mifanohitra amin’ny zava-misy. Mahakasika ny fandrindrana ny posy sy ny sarety, teboka telo no tsy maintsy apetraka raha ny heviny. Tsy maintsy voriana ireo tompom-posy sy sarety,manatanteraka fanisana faobe satria mitombo isan`andro ny isan`izy ireo. Tokony hasiana taratasy fanamarihana na “carte grise”. Farany, tokony hobeazina tsy hanao gaboraraka fa zarina hanaraka ny lalàn`ny fifamoivoizana. Tokony hisy lalàna mifehy ny posy sy ny sarety ka miainga avy amin`ny kaominina izany mba tsy hahafahan`izy ireo manao izay saim-patany. Iaraha mahalala fa olona sahirana ny ankamaroan`izy ireo fa kosa tsy azo avela hanararaotra izay fahantrana izay satria fa tsy maintsy jerena ny fiarahamonina. Raha tsy avela hitarika posy sy sarety ihany koa izy ireo anefa dia sao lasa hangalatra ka ahiana ny tsy fandriampahalemana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.