Politique

Ramboasalama Emilien “Fidio ny sefom-pokontany”


  • Zoma 08 Mey 2020

Miteraka olana goavana eny anivon` ny fiarahamonina ny komity Loharano amin` izao fotoana izao.

 

 

 

Efa nijoro izany eo anivon` ireo kaominina sasany. Ho an` ny Kaominina Renivohitra kosa dia mbola tsy misy taratasy nivoaka, hoy Ramboasalama Emilien, depiote voafidy tao amin`ny boriborintany IV. Nitondra tsikera mivavay manoloana ny mason-tsivana mandrafitra ny komity Loharano sy ireo sefom-pokontany ity solombavambahoaka ity. “Ny fototry ny komity dia olona hanao fizarana madio sy tsy mitanila. Ny zava-misy anefa dia toa miray tendro amin` ny fitondrana ireo sefom-pokontany. Tsy misy ny mangarahara tamin`ny fizarana vatsy Tsinjo. Ohatra teny anivon` ny fokontany Ilanivato, indraimpany no nisy ny fizarana ary zara olona 88 isa no nisitraka fanampiana. Misy anefa fokontany sasany hiverimberenana. Mahatratra 200 isa ireo olona mahazo ilay fanampiana. Raha zohina, dia ireo fokontany tsy nahazoan` ny antokon` ny fitondrana fandresena no atao ankilabao. Ny komity Loharano dia natao hanara-maso ny fizarana kanefa misy fokontany hafa tsy mahazo mihitsy. Aiza ka tsy mahazo fanampiana ihany koa ireo zokiolona, ireo olona marary toa an` ireo tapaka lalan-drà, sns… fa tanora mijaridona be indray no hita eny amin`ny filaharana.” Hentitra no nilazan` I Ramboasalama Emilien fa tokony ho fidiana ny sefom-pokontany mba hisian` ny mangarahara. Toy ny ben` ny tanàna sy depiote ireny satria fototry ny ny fitantanana ka aleo izay lanin` olona no hitantanana eny amin`ny fokontany, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT