Politique

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Araka ny voafaritra ao anatin` ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha- 75 dia miroso amin`ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2021 ny antenimiera roa tonta.

 

 

 Ho an`ny depiote TIM, Ramboasalama Emilien, voafidy tao amin`ny boriboritany fahaefatra dia mizara telo lehibe ny laharampahamehana ao anatin` ny LFI 2021. Voalohany, ny fametrahana ny fanarenana ho an`ireo orinasa voadona tamin`ny valanaretina Covid 19. Misy orinasa nikatona mihitsy ary maro ireo tafiditra ao anatin` ny fandroahana mpiasa. Andrasana, hoy izy, ny fandraisan` ny fanjakana an-tanana an` ireny orinasa ireny indrindra ireo orinasa Malagasy. Manaraka izany dia tokony ho hita taratra ny fiahiana ara-tsosialin`ny vahoaka eo amin` ny fampianarana, fahasalamana, ny asa,… Maro ireo olona no tsisy ho raofina intsony fa ny hoanina androany no tadiavina rahampitso. Farany, di any fanorenana ireo niara-boina tamin` ireny raharaha politika teto Madagasikara ireny. Tokony arahina hatramin`ny farany tondrozotra (feuille de route). Na mpandraharaha na olon-tsotra izay tafiditra nananomboka ny 2002 hatramin`ny 17 septambra 2011 dia tokony ho tanterahina ny fanonenana azy ireo izay anjaran` ny CFM. Andrasana, araka izany, ny tetibola momba izany satria betsaka ireo mpandraharaha miandry nefa ataon`ny fanjakana be marenina, hoy hatrany ny solombavambahoaka Ramboasalama Emilien.

 

Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT