Nivoaka tamin’ny fahanginany ny senatera teo aloha Ramasy Adolphe. Nambarany fa raha ny resaka fahamaroana isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena no entina ampitahorana hanalana ny filoha voafidim-bahoaka eo amin’ny toerany noho ny fitadiavana tombontsoa ho an’olom-bitsy dia nilaza izy fa hakanosana izany.
Nanazava ny andininy faha-50 ao amin’ny lalàmpanorenana izay milaza fa ny tsy fahafahana ara-batana sy ara-tsaina ihany no azo ampiatoana ny filoham-pirenena amin’ny asany ary ny andininy faha-60 dia manazava fa ny filoham-pirenena dia afaka mandrava ny Antenimieram-pirenena ihany koa raha misy antony telo mampikorontana. Antso avo no atao amin’ny tokony hifanatonana sy hifandaminana fa efa leo ny vahoaka satria dimy taona tao anatin’ny kirizy dia mbola hiditra anaty kirizy hafa indray ve ? Ny HCC na Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mihitsy no tokony horavana satria efa lany daty, hoy Ramasy Adolphe. HCC izay nanomboka ny taona 2002 hatramin’izao dia tsy niova, nefa tokony ho ny taona 2009 dia novaina, satria ao anatin’ny lalàna mifehy ny HCC dia fito taona tsy azo havaozina sy tsy azo halavaina ny fe-potoam-piasan’ireo mpikambana ao. Nanolotra hevitra moa Ramasy Adolphe ho an’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ny hanoloran’ity farany olona telo avy aminy ary telo avy ao amin’ny Antenimieram-pirenena ary telo avy any amin’ny mpitsara, ka ireo no manao ny lalàna vaovao.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.