Politique

Ramaroson sy Hajo Raikitra indray ny gidragidra


  • Alarobia 05 Desambra 2012

Tsy mety milamina fa vao maika aza mihahenjana ny disadisa eo amin’i Alain Ramaroson sy Hajo Andrianainarivelo izay samy mpitondra ambony eo anivon’ny FAT.

 Fony mbola minisitra Itompokovavy Nadine Ramaroson no nisy ny tsy fifankazahoana tamin’izy ireo noho ny resaka ady tany ka iarovan’ny fianakaviana Ramaroson ny vahoaka «madinika». Nandritra ilay ampamoaka nataon’i Alain Ramaroson momba ireo olona ampangainy ho nampamono ny zana-drahalahiny no vaky ambatolampy ilay ady mangatsiaka. Ankehitriny dia miditra an-tsehatra mihitsy ny filohan’ny vomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny CST amin’ny raharaha fanitarana lalana izay mitarika vinavina fandravana trano eny Ankadimbahoaka eny.

Kasain’ny fanjakana ho esorina mantsy ireo trano amin’ny ilany atsinanan’ny arabe manomboka eo amin’ny lalamby mipaka eny amin’ny tetezana Tanjombato satria voalaza fa miteraka fitohanan’ny fiara ny haterin’io ampahan-dalana io. Ny 21 novambra lasa teo no nandefa taratasy mampilaza ny mponina voakasiky ny tetikasa ny Filohan’ny kômitim-panjakana mpanombana ny vidin-tany ao amin’ny Primatiora lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany izay i Hajo Andrianainarivelo no lehibeny. Nambara tamin’io taratasy io koa fa honerana ny vidin’ny trano sy ny tany alain’ny fanjakana araka ny filazan’ny solotenan’ny mponina. Nidina teny an-toerana i Alain Ramaroson niaraka tamin’ny Talem-paritry ny ministeran’ny mponina eto Analamanga, Rakotonirina Angelot, omaly maraina nijery ny zava-misy sady nihaino ny fitarainan’ny mponina ihany koa. Nilaza i Alain Ramaroson fa efa misy ny didy fampiantoana fandravana fananan’olona nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 23 may 2012 koa nahoana no mbola mandika izany ny ny praiminisitra lefitra izay mpikambana ao amin’ny governemanta ? “Tsy anjara asan’ny tetezamita akory izany no sady tsy laharampahamehana. Tsy vitan’izay fa manakorontana saim-bahoaka efa difotry ny krizy ara-tsosialy lalina izany fanapahan-kevitra izany. Aleo rehefa misy fanjakana lanim-bahoaka eo vao miditra amin’izany fandrodanana trano izany raha tsy maintsy hatao ihany”, hoy izy.

Faly ny mponina teo anatrehan’izany satria mahatsiaro ho manana mpiaro. Nilaza ny tsy hilefitra ry zareo na dia tambazana onitra aza satria ara-dalàna ny taratasiny momba ny trano sy tany. Misy amin’izy ireo no efa mponina teny tao anatin’ny 30 taona mahery. Araka ilay taratasy voarain’ireto mponina ireto dia ny alakamisy 6 desambra no handefa iraka eny an-toerana ny ekipan’ny fiadidiana ny praiminisitra lefitra izay ho tsenain’izy ireo amin’ny filanjana sorabaventy. Raha ny hevitr’ireo mponina sy ny ministeran’ny mponina nanao fanadihadiana teny an-toerana dia misy ny fijerena tavan’olona matoa tsy kitihana mihitsy ny ilany andrefana amin’ny lalana izay misy ny mpanambola. Manontany tena aza izy ireo hoe : dia tena hamaha ny amboteazy tokoa ve ity tetikasa heverina ity ?

Yves/Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT