Ramananirina Wilfried Ian

> Notsipahan’ny CES ambavafo


  • Zoma 07 Febroary 2014

Voatsipaka ambavafo no azo hilazana ny kandidŕ Ramananirina Ian Wilfried avy any Fenoarivo Atsinanana sady mpikambana teo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha voatendry tamin’ny alalan’ny antoko TGV.

Nitarika an’isa ity kandidà ity tamin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI-T nefa tany amin’ny vokatra ofisialy navoakan’ny CES omaly dia nambaran’ity farany fa nofoanana ny vato azony tany amin’ny Kaominina telo (Vohipeno, Atsiatsiaka, Ambodimanga 2) fa hoe nisy ny fitoriana voarain’ny tetsy Ambohidahy fa tsy nametra-pialana ny Sefom-pokontany izay mpiray lisitra taminy. Gaga ny tena, hoy Ramananirina Ian Wilfried, fa tsy mba nisy fampilazana mba nitondrana valin-kafatra satria dia “nananako am-peletanana ny dika mitovy tamin’ny fametraham-pialan’io sefo Fokontany io”. Sefo Fokontany iray ve no voalaza fa nanao tsy nety dia vato tamina Kaominina telo no indray nofoanana ? Tena noverezin-jo ireo vahoaka an’arivony nifidy ahy nefa dia mankahery azy ireo aho, hoy ity kandidà ity, fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny CES. Tena tandindomin-doza ity firenena ity raha ny fomba fiasa barofo tahaka izao no ataon’ny mpitsara eto amintsika, hoy ny faratenin-dRamananirina Ian Wilfried. Marihina fa mpikambana TGV tsy tafiditra tao anaty lisitry ny MAPAR ity farany ka nirotsaka tamin’ny alalan’ny mahaleotena ary tsy nety nanao sonia ilay fifanarahana nampanantsoin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha an’ireo kandidà tsy miankina teny Ambohitsorohitra taorian’ny fivoahan’ny vokatra vonjimaika.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT