Politique

Ramampy Lechat Marie Zénaďde Zarao mitovy ny toeran’ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny fitondrana !


  • Alarobia 08 Desambra 2010

Hita sy tsapa fa mbola ambany dia ambany ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ny seha-pihariana sy ny fitantanana ary ny tontolo politika eto Madagasikara.

Vehivavy avokoa anefa ny 53%-n’ny mponina, ka noho izany indrindra no nahatonga ny fikambanan’ny vehivavy parlemantera hanaitra ny sain’ny rehetra ny amin’ny maha zava-dehibe ny fampandraisana andraikitra ny vehivavy. Mila ezaka avy amin’ny andaniny sy ny ankilany izy io, satria matetika tokoa dia midongy toerana izay ny lehilahy no sady tsy manaiky hobaikona na hotarihan’ny vehivavy. Etsy ankilan’izay koa anefa dia tsy dia sahy maneho ny heviny, ary diso miafy sy mandefitra loatra ny vehivavy noho ny fiheverana fa tsy tompon’ny teny farany izy ary tokony ho ambany fahefan’ny lehilahy foana.

Efa miova ny vanim-potoana iainana amin’izao fotoana ka tokony hahay hiara-miasa sy mifanampy ny rehetra ary tokony hohalavirina mihitsy ny fanavahana sy fanilikilihana. Koa noho izany rehetra izany dia mandroso soso-kevitra ny avy ao amin’ny vehivavy parlemantera fa amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, ohatra, dia tokony hahitana vehivavy avokoa ny lisitry ny antoko na fikambanana rehetra manolotra kandida, ary ampirisihana mihitsy aza ny hoe tokony mba ho vehivavy no lohalisitra amin’ny Kaominina maromaro. Azo dinihana eo anivon’ny Parlemanta ary avadika ho lalàna izany, hoy Rtoa Ramampy Lechat Marie Zénaïde, ary tonga dia lazaina mazava mihitsy fa tsy azo ekena sy tsy azo raisina izay lisitra tsy ahitana vehivavy. Aminy mantsy dia tsy ampy mihitsy ny isan’ny vehivay ao anatin’ireo andrim-panjakana misy eto amintsika amin’izao fotoana, na ny governemanta io na ny CT na ny CST. Maro be ny ezaka mbola tokony hatao, hoy izy ka ho an’ny vehivavy parlemantera manokana dia tokony hatao misasaka mihitsy ny isan’ny toerana azon’ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny fitondram-panjakana. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT