Politique

Ramamimampionona Gérard “Krizim-pitokisana no fototry ny olana eto”


  • Talata 16 Martsa 2021

“Krizim-pitokisana no manjaka eto, ka miteraka izao disadisa samihafa miseho lany etsy sy eroa izao”,

 

 

 hoy Ramamimampionona Gérard. “Isehoan’izany na ireo samy eo amin’ny fitondrana sy ireo mpanohana azy, toy izany ny eo anivon’ny mpanohitra”, hoy ity filoha lefitry ny Conseil du Fampihavanana Malagasy na CFM sady mpandinika fiarahamonina ity. Ny vazaha mody miady, hoy Ramamimampionona Gérard fa isika nanjary mody mihavana noho io tsy fisian’io fifampitokisana io. Manampy trotraka an’izany, hoy izy, ny elanelana eo anivon’ny fiarahamonina ateraky ny fahaizana, fivavahana, fanana-karena, politika ary ny fihaviana na foko. Mifanohitra amin’ny kolontsaina Malagasy mandala ny fihavanana anefa ireo. Isika izay manana ny kolontsaina taterim-bava ihany koa, amin’ny lovantsofina izay midika fa nifampihaino, nifampiresaka dia nifanao tenierana tamin’izay zavatra rehefa natao.”Mbola azo avotana ny zava-misy”; hoy ity mpikambana ao amin’ny CFM ity. Modely entin’izy ireo amin’izany ny fifampitondrana, fifampifehezana amin’ny “Kianja” hita ao amin’ny Kaominina Andriambilany, Distrika Ambatolampy. Milamina ny fiarahamonina, mirindra ny fihariana, tsy olona hadino eny fa na hatramin’ny zaza vao teraka aza. Efa vita rakin-tsary ary ezahin’ny CFM zaraina maimaimpoana amin’ny vondron’olona, vondrombahoakam-paritra, fiangonana … mila izany ity maodelim-piarahamonina ao Andriambilany ity.

 

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT