Politique

Ramalason Olga “Manana fanantenana sy toky izahay”


  • Zoma 05 Oktobra 2012

Vahiny hiSOKELA anio ny minisitry ny varotra Ramalason Olga. Nitondrany fanazavana ny mikasika ny raharahan’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria ao Toamasina, ny fiatrehana ny maitso ahitra ary koa ny momba ny fiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana.

 Tia Tanindrazana (TT) : Nisavorovoro ny Antenimieran’ny Varotra Toamasina. Nosoloina ny filohany nefa mbola mikorontana ihany. Inona no tena zava-misy marina ao ?

Ramalason Olga (RO) : Nisy ny fanaraha-maso notontosain’ny Inspection Générale de l’Etat (IGE) tao amin’ny Antenimieran’ny Varotra Toamasina tamin’ny volana jolay 2011 izay namoaka soso-kevitra hanoloana ny mpitantana sy ireo mpikambana ao amin’ny biraony. Notanterahan’ny mpitondra tamin’izany io soso-kevitra io tamin’ny alalan’ny fananganana komity manokana (comité ad’hoc) izay mpitantana vonjimaika ny Antenimieran’ny varotra Toamasina ary nomena andraikitra hikarakara ny fifidianana ny birao vaovao. Hatramin’izao anefa dia tsy nisy mihitsy ny fanomanana ilay fifidianana fa fanararaotam-pahefana aza no tsikaritra nataon’ny filohan’io komity manokana io. Niasa irery izy fa tsy mandray ny hevitr’ireo mpikambana tao amin’ny birao sasany nefa ny tenierana no tokony hifampitondrana. Nandefa fitarainana matetika taty amin’ny ministera ireto farany ary nandrahona hiala mihitsy aza raha tsy misy ny fandraisana andraikitra avy aty ambony. Nampanao fanadihadiana izahay noho izany ary efa nanome fampitandremana an’ilay filohan’ny komity manokana mihitsy fa horaisina ny fepetra momba azy raha tsy misy ny “résultat”. Mbola nitohy foana anefa ilay fanapahan-kevitra samirery ankoatra ny tsy fisian’ny fanomanana ny fifidianana ka nisaorana izy. Marihina fa tsy olom-boafidy ny filohan’ny komity manokana, izany hoe azo esorina amin’ny fotoana rehetra rehefa tsy mety ny ataony. Ankoatra izay dia tsy solontenan’ny ministeran’ny varotra any Toamasina intsony io olona io izay mpanolotsain’ny minisitra teo aloha, “conseiller technique”. Rehefa niala ny minisitra dia rava koa ny kabinetrany ka azo soloina izay tomponandraikitra napetrany, indrindra raha tsy mahomby. Momba ny filazany indray fa hitory izy satria ho tapaka, hono, ny karamany dia marihiko etoana fa ny mpikambana ao amin’ny komity manokana dia tsy mandray karama izany. Mbola marihiko koa fa tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny olan’ny orinasa MICTSL sy ny fadintseranana izao fanapahan-kevitry ny Ministera izao. Olona iray ihany no nitory ny MICTSL fa tsy ny mpikambana ao amin’ny biraon’ny komity manokana rehetra akory. Ny fampandehanana ny Antenimeran’ny varotra sy ny fikarakarana ny fifidianana no tanjonay ary tokony ho vita mialoha ny faran’ny taona izay fifidianana izay ho an’i Toamasina.

TT : Misy feo miely fa olona efa nomelohin’ny fitsarana ilay nasolo azy ?
RO : Matoa izahay nisafidy io mpisolo azy io dia satria olona mpikambana tao anatin’ny komity manokana ihany izy izay nitana ny andraikitry ny fitantanana sy ny fanarahamaso ny tetibola. Koa raha misy izany fanamelohana azy izany dia tsy maintsy efa tonga teto aminay ny antontan-taratasy manaporofo izany. Raha manana raharaha ara-pitsarana hafa tsy mahakasika ny Antenimieran’ny varotra indray izy dia azy manokana izany. Tiako marihina koa fa tsy olona iray ihany no nosoloina tamin’io komity manokana io fa olom-baovao koa no misolotena ny fiadidiana ny praminisitra sy ny fiadidiana ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena ao.

TT : Rahoviana indray no hotanterahana ny fifidianana amin’ireo Antenimiera hafa ?
RO : Araka ny efa fantatsika dia lany fe-potoam-piasana tamin’ny faran’ny taona teo ireo Antenimiera rehetra. Nisy anefa ny famolavolana lalàna fanatsarana ny fitantanana ny Antenimiera nataon’ny cabinet ATW izay havoaka tolo-dalàna “projet de decret” ato ho ato. Miandry an’izay isika dia haroso koa ny fifidianana amin’ireo Antenimiera rehetra. Tokony ho amin’ny faramparan’ny taona na fiandohan’ny taona ho avy no hanatontosana izany. Mbola hivory miaraka moa ny Ministera sy ireo Antenimiera ary koa ny federasion’ny Antenimiera hanapaka ny daty.

TT : Resaka famatsiana indray, manao ahoana ny fiatrehana ny maitso ahitra ?
RO : Efa miomana amin’izany miaraka amin’ny mpandraharaha izahay izao. Ny maitso ahitra moa dia manomboka amin’ny volana novambra ka hatramin’ny aprily. Tsy miditra mivantana amin’ny fanafarana vary ny fanjakana fa manome ny antontanisa ilain’ny mpandraharaha hamantarana ny fotoana hanaovana ny fanafarana sy ny habetsaky ny vary hafarana hiatrehana ny maitso ahitra. Misaotra an’Andriamanitra fa tsara ny voka-bary tamin’ity taona ity ka 88.000 T no vary nohafarana raha 100.000T na 120.000 T eo hatrany izay isan-taona. Hitantsika fa tsy niova loatra ny vidim-bary teny an-tsena. Nametraka komity mpanaramaso ny famatsiana eny anivon’ny faritra rehetra koa ny ministera amantarana ny zava-misy. Vao nandefasana vary iray kaontenera izao tany Fort Dauphin sy 40 kaontenera tany Toliara mba hifehezana ny vidim-bary satria efa ambany ny tahiry tamin’ireo tanàna ireo. Mpandraharaha tsy miankina no nanao ireo fa tsy ny fanjakana akory.

TT : Aiza ho aiza ny tohin’ireny raharaha nahatrarana menaka hosoka sy fampidirana entana efa lany daty ireny ?
RO : Maromaro tokoa ireny raharaha ireny tamin’ity taona ity no tratranay. Na potehana na dorana ireo entana lany daty sy hosoka. Misy ny lamandy aloan’ireo mpandraharaha mandika lalàna amin’izany. Mbola hisy indray izao ato ho ato ny fandoroana menaka taorian’ny fitiliana nataon’ny ministera. Misy ny fitoriana eny amin’ny fitsarana rehefa tsy manaiky ny saziny ilay mpandraharaha. Mitohy foana ny ezaka fanadiovana ny tsena izay atao mandavan-taona ary mipaka amin’ny faritra koa amin’ny fanaraha-maso ny vokatra sy entana.

TT : Eo amin’ny politika indray dia tsy mahatsiaro tena voafitaky ny SADC ve ianareo ankolafy Ravalomanana satria hatramin’izao dia tsy mbola hita foana ireo iraka hijery ny fepetra ara-pilaminana hahafahan’ny filoha Ravalomanana mody nefa antomotra ny fotoana ?
RO : Ny tondrozotra izay efa lasa lalàna no mifehy ny fitondrana ny fanjakana ka izahay ao amin’ny ankolafy dia tsy mbola miala amin’iny hifampifehezana. Samy tompon’andraikitra amin’ny fampiharana azy avokoa ny rehetra ny SADC na ireo andrimpanjakana isan-karazany eto amin’ny firenena na koa ireo mpanao sonia. Izahay ao amin’ny ankolafy Ravalomanana dia miantso hatrany amin’ny fampiharana ireo andininy rehetra ao anatiny, indrindra fa ny andininy faha-16, 17, 18 ary 20. Mazava anie ny tondrozotra izay milaza fa tsy misy fepetra ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana. Ary raha hanao tombana ny SADC dia hijerena ilay fameranana azy fa tsy sanatria hilaza hoe tsy mahazo miverina izy akory. Izahay ao amin’ny ankolafy dia miezaka mametraka ilay fitoniana ary na ny mpomba anay aza dia mitandro izany koa. Tokony ho efa hiroso ny fampihavanana ary mifandefitra ny rehetra.

TT : Misy ny milaza fa savorovoro volena ny adin’ny samy mpitondra FAT nametraka an-dRajoelina teo amin’ny fitondrana izay miseho amin’izao mba hilazana fa tsy milamina eto ka hanakana ny fodian’i Dada ?
RO : Hafahafa ihany tokoa aloha hoe naninona tampoka teo no lasa nisy izao korontana izao. Rehefa samy mandinika isika dia mazava fa misy no mamboly an’izay mba tsy hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena. Raha tena olon-kendry sy mandinika dia mahita fa azo atao tsara ny famerenana azy eto ary izay aza no tena ilain’ny firenena hametrahana fitoniana sy hirosoana amin’ny fifidianana izay maha maika antsika rehetra. Fantatsika anie fa raha tsy tafaverina eto ny filoha Ravalomanana dia tsy hilamina ity firenena ity satria mitady azy avokoa ny vahoaka, any amin’ny faritra any. Aleo hifidy izay olona tiany hitondra azy ny vahoaka.

TT : Afaka manome toky ve ianareo fa hiverina mialoha ny 18 oktobra tokoa izy ?
RO : Momba ny fodiany dia samy tsy misy mahalala ny andro isika satria Andriamanitra anie no mandahatra ny zava-drehetra e ! Mbola manana fanantenana sy toky kosa anefa izahay ao amin’ny ankolafiny fa tsy maintsy hiverina eto izy ary mandray anjara amin’ny fifidianana. Betsaka ireo fanangolena sy fandemena ny toe-tsain’ny mpomba azy fa izaho mampahery antsika hoe : miverina ary milatsaka hofodiana ny filoha Ravalomanana.

Nangonin’i Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT