Politique

Ralison Roger « Zanaky ny filoha koa ny mpanohitra ka tokony henoiny »


  • Zoma 02 Aprily 2021

Tsy Raiamandrenin’ny MAPAR na TGV irery intsony toy teo aloha Atoa Andry Rajoelina taorian’ny nahavoafidy azy ho filoham-pirenena

 

hoy ny profesora Ralison Roger omaly fa efa Raiamandrenin’ny Malagasy rehetra mihitsy. Tsy tokony hisy fanavahana araka izany hoy izy ny fihainoana ny zanaka rehetra fa raisina avokoa na fanasohasoana izany na fanakianana. Ny mpanakiana no tena tokony henoiny hoy hatrany izy satria ireny no tena manam-pitiavana ny filoha na dia lazaina fa mpanohitra aza. Ny mpanasoaso kosa hoy izy tokony hasiany fitandremana soa sanatria mandatsaka any anaty lavaka. Mikasika ny lesoky ny mpitondra nifanesy teto amintsika hatramin’izay moa dia notsiahiviny fa anisan’ireny ny tsy fandraisana mpampianatra be dia be sy ny paramed be dia be. Miaina izany isika amin’izao fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 hoy izy. Vitsy loatra ny mpitsabo ka na ireo marary efa ambavahoana aza tsy misy mandray an-tanana intsony. Tokony horaisin’ny mpitondra ankehitriny ho lesona izany hoy hatrany izy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT