Politique

Ralison Roger Mila atsangana haingana ny CNR


  • Talata 04 Janoary 2011

Tsy mivaona amin’ny foto-kevitra ijoroany amin’ny maha ao anatin’ny ankolafy Zafy Albert azy ny vondrona politika HPM (Hery Politika Mitambatra) ary mahita fa tsy maintsy atsangana ny Komitim-pirenena momba ny fampihavanan na CNR, araka ny nambaran’i Ralison Roger, mpikambana CST no sady HPM.

Hisy ny soso-kevitra amin’ny fanatanterahana izany haroson’ny Hery Politika mitambatra eny anivon’ny Parlemanta, dia ny CST sy ny CT izany, raha ny nambaran’ity filohan’ny antoko PRM ity ihany. Ho azy ireo mantsy dia manana nandraikitra goavana sy mankadiry amin’ny fandaminana ny fiarahamonina sy ny firenena ity CNR ity, satria tsy maintsy miroso amin’ny fifamelana sy ny fampihavanana ny rehetra eto Madagasikara, izay vao afaka tena hiroso amin’ny asa fanarenana sy fampandrosoana ny firenena. «Tsy maintsy tanterahana eto ilay ‘grand pardon national’, ka ny CNR no hiandraikitra sy hikarakara izany, ka tokony handray anjara mavitrika amin’io avokoa ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena. Raha ahitana olana ihany koa ny fananganana ireo rafitra ahitana ny fiaraha-mitantana dia aleo ny CNR no handamina izany ary hamoaka ny soso-kevitra isan-karazany handrafetana ny marimaritra iraisana eken’ny maro an’isa», hoy i Ralison Roger nanohy ny fanazavany. Tsy mora anefa izany asa rehetra izany fa tena mitaky fikirizana ny fifanomezan-tanana, satria mety ao anatin’ny efa-taona no hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena, hoy izy araka ny fandinihan’ny ankolafy Zafy Albert azy, izay efa hatramin’ny taona 2002 no nitaky ny hisian’ny fampihavanam-pirenena ; ka tena tsara sy mety, hoy i Ralison Roger raha dieny izao dia atsangana haingana io Komitim-pirenena momba ny fampihavanana io fa tsy iandrasana ny fahalanian’ny filoha vaovao hitantana ny Repoblika faha-IV satria mila fitoninana isika.

Nangonin’i RTT
Sary : Ralison Roger, filohan’ny antoko PRM sady mpikambana HPM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT