Politique

Ralison Roger « Hiafara amin’ny hetsi-bahoaka izao zava-misy izao »


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Nilaza ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana Atoa Ralison Roger , mpahay toekarena ary Loholona teo aloha. Ahiana hanafaingana ny fihetsehan’ny vahoaka ny zava-misy amin’izao fotoana,

 hoy izy ; mety hanahirana io sakantsakana amin’ny fanehoan-kevitry ny olona io ka tokony mba ho dinihan’ny fitondram-panjakana tsara ihany.Efa napetraka teto anie ny atao hoe kianjan’ny Demokrasia tamin’ny 2009, saingy aiza moa ilay izy izao, hoy i Ralison Roger ? Nanao antso amin’ny Filoham-pirenena ity mpanao politika izay anisan’ny vavolombelon’ny tantara ary niaina ireo tolom-bahoaka nifandimby teto mba hihataka amin’ireo mpampidi-kizo sy mampiditra azy amin’ny lalan-diso . Niantso ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ihany koa ny Pr Ralison Roger mba tsy hamerina ny hadisoan’ireo fitondrana teo aloha izay nihevi-tena ho matanjaka ka izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena dia gadraina na vizanina amina raharaham-pitsaranna tsy mety vita .Efa lesoka hatramin’izay teto amin’ny firenena ny fanagadrana sy fanenjehana mpanao politika, hoy i Ralison Roger ary efa tany amin’ny Repoblika voalohany sy faharoa ary fahatelo no nisy izany . Tadidio tsara ny tantara fa niafara foana tamin’ny fahasahiranan’ny fitondrana sy ny fionganany io, niaraha-nahita teto izany, hoy izy. Teo ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1971, 1991, 2002 ary 2009 ka tokony ho mailo sy hitandrina ny fitondram-panjakana ary hanitsy ny lalan-diso dieny izao.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT