Politique

Ralaiseheno Guy Maxime Rajoelina mihitsy no problema eto


  • Zoma 21 Septambra 2012

«Heverin-dRajoelina fa azony atao araka izay tiany, azony tefitefena sy amboamboarina, heveriny fa azo fitahina foana ny vahoaka», hoy Ralaiseheno Guy Maxime manoloana izao toe-draharaha eto amin’ny firenena izao.

Tsy misy tsy mitaraina amin’ny resaka tsy fandriampahalemana sy fahantrana ireo Kaominina 1.542 manerana ny Nosy, hoy izy ary ny zava-doaza dia miverina mihinana vihy ny olona any Atsimo Atsinanana amin’izao fotoana izao. Vihy izay karazana saonjo dia. Araka ny fanazavany dia rehefa kere, tsy manana ho hanina ny olona dia mihady vihy satria maro eny an-tanimbary io zava-maniry io. Mila atsahatra izao krizy izao, satria i Andry Rajoelina tsy te hamaha ny krizy, tsy te hitady vahaolana, hoy ihany Ralaiseheno Guy Maxime izay nilaza fa “i Andry Rajoelina mihitsy no problema eto Madagasikara”.

Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa «izahay tsy hihavana amin’ny mpanongam-panjakana, tsy hihavana amin’ny mpandroba raha tsy milaza ny marina momba izany rehetra izany, ohatra amin’ireny ny fanodikodinam-bola, ny fanondranana harena voajanahary tsy ara-dalàna”. Nohamafisin’ity mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ity ihany koa fa “tsy hifarana ny hetsika eo amin’ny kianjan’ny Magro, eny fa na hiverina higadra daholo aza izahay rehetra raha tsy tafaverina sy milatsaka ho filoha i Marc Ravalomanana”, hoy ihany Ralaiseheno Guy Maxime.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT