Politique

Ralaiseheno Guy Maxime Mangataka ny famotsorana azy ny AMM


  • Alatsinainy 20 Desambra 2010

Anio 20 desambra 2010 no daty nofaritan’ny FAT hanatontosana ny Fifidianana Ben’ny tanàna. Notsipahan’ireo Ben’ny tanàna 900 mahery mivondrona ao amin’ny AMM (Fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny Nosy) io daty io satria mandika ny lalàm-pifidianana sy fanapahan-kevitry ny fikaonandoham-pirenena izay mamaritra fa tsy tokony hisy intsony ny fifidianana amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra.

Manginy fotsiny ny fanerena ireo Ben’ny tanàna am-perinasa hametra-pialana raha mbola mikasa ny hilatsaka izy. Nitarika disadisa tamin’ireo Ben’ny tanàna sy ny FAT ny fizirizirian’ity farany ary niafara tamin’ny fidinana an-dalambe nataon’ireo biraon’ny AMM teny Andohanalakely mihitsy aza ny raharaha ny 20 novambra 2010. Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana Ralaiseheno Guy Maxime, filohan’ny AMM ary naiditra am-ponja 2 volana noho ny fanatontosana famoriam-bahoaka tsy nahazo alalana. Tamin’io andro io koa anefa no nanao fanambarana fanemorana ny fifidianana Ben’ny tanàna amin’ny fotoana manaraka izay tsy mbola voatondro ny FAT tamin’ny alalan’ny filohan’ny CST. Nanambara ny jeneraly Dolin fa noho ny vanim-potoan’ny orana sy ahafahana manarina ny lesoka tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka no anton’izany.

Eo anatrehan’izay fiverenan’ny FAT amin’izay fanapahan-keviny izay dia manamarika ny biraon’ny AMM amin’ny alalan’ny filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna avy any Atsimo Atsinanana, Eugène Grégoire fa rariny tanteraka ny fitakian’ny Ben’ny tanàna ka mangataka ny famotsorana ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato ny tenany. “Tsy meloka izany ny filohanay satria nahatsapa ny fahadisoany ny FAT matoa miverina amin’ny fanapahan-keviny. Noho izany dia tokony havotsotra ny tenany mba hiaraka hifaly amin’ny fianakaviany amin’izao fankalazana ny fetin’ny krismasy sy fitsenana ny taombaovao izao”, hoy hatrany i Eugène Grégoire. Mitondra soso-kevitra ihany koa anefa izy momba ireo fifidianana manaraka izay tokony hatomboka amin’ny fifidianana ny filoham-pokontany arahan’ny Ben’ny tanàna, ny filohan’ny Faritra, ny solombavambahoaka, ny loholona ary mamarana azy ny fifidianana filoham-pirenena. 

Sary : Eugène Grégoire, Ben’ny tanànan’i Vohipaho sady biraon’ny AMM
 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT