Politique

Ralaiseheno Guy Maxime Hivoaka ny fonja


  • Alarobia 19 Janoary 2011

Vita amin’ity herinandro ity ny roa volana an-tranomaizina sazy nihatra tamin-dRalaiseheno Guy Maxime, Ben’ny tanànan’Ankaraobato, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, sady filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny nosy (AMM).

Araka ny fantatra dia manomana hetsika lehibe ireo mpomba azy amin’ny fivoahany.

Raha niomana hitafa tamin’ny vahoaka teo anoloan’ny Tahala Rarihasina Analakely ireo Ben’ny tanàna mikambana ao amin’ny AMM ny sabotsy 20 novambra 2010 no nisamboran’ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo-Reg ny filohany, Ralaiseheno Guy Maxime ary notanana avy hatrany teny amin’ny borigadin’ny zandary eny Betongolo. Ny alakamisy 25 novambra 2010 izy no notsaraina teny Anosy. Famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana sy fanohizana ny fihetsiketsehana na dia efa naparitaky ny mpitandro ny filaminana tamin’ny alalan’ny fandefasana etona mandatsa-dranomaso no vesatra niampangana azy.
 
Nanazava i Guy Maxime tamin’ny fiarovan-tenany fa zo voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-10 ny fahafaha-maneho hevitra imasom-bahoaka. Ankoatra izay dia tsy mbola tontosa akory, hoy izy ny famoriam-bahoaka izay antony anenjehana azy dia ny fisamborana no nandeha aloha. Momba ny fiampangana faharoa indray dia nambarany fa tsy voahaja ny lalàna satria tsy nisy akory ny teny nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ireo Ben’ny tanàna nisalotra samboady handao ny toerana nisy azy fa daroka baomba avy hatrany no nahazo azy ireo izay narahan’ny fisamborana.
 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Ralaiseheno Guy Maxime nosamborina teo Analakely ny sabotsy 20 novambra 2010

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT