«Aoka ho lesona ho an’ny rehetra ny telo taona naharava ny fanjakana noheverina hitondra ho amin’ny fahazavana», hoy Ralaiseheno Guy Maxime raha nanao jery todika fohy momba ny lalana nodiavin’i Marc Ravalomanana izay nametraka fa tsy ny rafitra no olana eto amin’ny firenena fa ny mpanao politika.
Tsy ny mpanao politika rehetra no afaka ary tonga filoham-pirenena, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity satria mila manana vina, manana tanjaka ara-tsaina sy ara-panahy. Izay no nahasamihafa an-dRavalomanana mihoatra amin’ireo mpanao politika rehetra ary tsy tongatonga ho azy tamin’izao ny maha filoha azy. Mila «engagement» ny fanaovana politika. Misy dikany lehibe, araka ny fanazavany ny hoe horaisin-dRavalomanana ny fitantanana ny Tiako i Madagasikara. Ary dia mila manova toe-tsaina miaraka amin’i Marc Ravalomanana ireo mpiara-dia aminy hirosoana amin’ny dingana lehibe.
Tetsy andanin’izany dia nasiany resaka koa ny momba ny fikasan’ny sasany hanafoana ny tolona etsy amin’ny kianjan’i Magro. «Aza mitady ny hisian’ny fifandonana sy fifanandrinan’ny samy Malagasy», hoy Ralaiseheno Guy Maxime. «Zonay ny maneho hevitra, zonay ny miteny hoe Ravalomanana ihany no mampety anay». Nambarany moa fa hihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena ato ho ato. Ravalomanana tsy maintsy hody ary midika fahafahana sy fandraisana andraikitra ho an’ireo mpomba azy izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.