Nomelohan’ny fitsarana tamin’ny fiampangana azy ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato sady filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny nosy (AMM), Ralaiseheno Guy Maxime.
Sazy mihatra roa volana an-tranomaizina no didy navoakan’ny mpitsara taorian’ny fotoam-pitsarana izay naharitra adiny iray teo ho eo, omaly alakamisy 25 novambra 2010. Nolavina kosa ny fangatahana fahafahana vonjimaika nangatahan’ny mpisolovava miaro azy. Famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana teny Analakely ny sabotsy 20 novambra 2010 sy fanohizana ny fihetsiketsehana na dia efa naparitaky ny mpitandro ny filaminana tamin’ny alalan’ny fandefasana etona mandatsa-dranomaso no vesatra iampangana azy. Nanazava Ralaiseheno Guy Maxime tamin’ny fiarovan-tenany fa zo voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-10 ny fahafaha-maneho hevitra imasom-bahoaka. Ankoatra izay dia tsy mbola tontosa akory, hoy izy ny famoriam-bahoaka izay antony anenjehana azy dia ny fisamborana no nandeha aloha.
Momba ny fiampangana faharoa indray dia nambarany fa tsy voahaja ny lalàna satria tsy nisy akory ny teny nataon’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana ireo Ben’ny tanàna nisalotra samboady handao ny toerana nisy azy fa daroka baomba avy hatrany no nahazo azy ireo izay narahan’ny fisamborana. Nezahana nanontaniana moa ny hevitry ny mpiaro ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato raha hampakatra amin’ny fitsarana ambony izy saingy tsy nanome ny heviny ity farany. Ireo Ben’ny tanàna mpikambana ao amin’ny biraon’ny AMM izay niatrika ny fotoam-pitsarana teny Anosy dia nanambara fa tsy foana akory fa vao mainka hatanjaka ny fikambanana na eo aza izao zava-misy manjo ny filohany izao. Noraisin’izy ireo fandresena koa ny fanemorana ny datim-pifidianana Ben’ny tanàna. “Tsy nihemotra io daty io raha tsy nihetsika izahay. Aoka koa anefa tsy hohadinoin’ny fanjakana fa izahay Ben’ny tanàna ihany no rafitra ara-dalàna eto”, hoy i Eugène Grégoire, filoha lefitry ny Fikambanana Ben’ny tanàna, Faritra Atsimo Atsinanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.