Politique

Rakotovazaha Zazaharivelo “Ampiharo ny tena demokrasia !”


  • Alarobia 19 Martsa 2014

Tsara fanombohana ny dian’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery any Etazonia ary mety amin’ny ankolafy Ravalomanana, indrindra ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny safidin’ny filoha vaovao hisantatra ny diany any amin’ny Firenena Mikambana sy ny firenena amerikanina, hoy Rakotovazaha Zazaharivelo, mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha.

 Hafatra roa mazava tsara no azo hasongadina tamin’ny fihaonana tany New York ny alatsinainy lasa teo iny dia ny fitakian’ny Sekretera jeneralin’ny ONU Ban-Ki Moon sy ny solontena maharitra amerikanina eo anivon’ny Firenena Mikambana ny fampiharana ny tena demokrasia miaraka amin’ny lalàna, anisan’izany ny mahakasika ireo sesitany sy gadra politika, araka ny fanazavan’ity solombavambahoaka lany tao Mampikony teo aloha ity. Eo amin’ny fananganana ny governemanta manaraka eo moa no tena hitsaran’ireo firenena sy fikambanana mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena antsika, hoy ny fanampim-panazavany.

Andrasan’ny sehatra iraisam-pirenena mafy amin’ny mpitondra Malagasy moa ny fanatanterahana ara-bakiteny ilay hoe : “fampihavanam-pirenena” ka dia ho hita eo ihany ny tohiny. Na tiana na tsy tiana dia mazava ny foto-kevitra ijoroan’ny Amerikanina sy ny Firenena Mikambana fa tsy mety ny ahitana ireo olona 109 efa voasazy ao amin’ny fitantanana ny Repoblika fahefatra. Efa masontsivana iray ahafahan’ny filoha vaovao mijery ireo olona hotendrena ao anatin’ny governemanta vaovao izany. Momba ny zava-misy eny anivon’ny Antenimieram-pirenena indray dia tsy maintsy mizotra any amin’ny fitadiavana ny marimaritra iraisana ara-politika ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko na vondron’antoko mandrafitra ity fahefana mpanao lalàna ity satria tsy mahavaha olana mihitsy ireo andininy voalazan’ny Lalàmpanorenantsika, hoy ity mpanao politika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity.

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT