Rakotondrahanta Hajarivola

> Tonga ny fotoana hanendrena Praiminisitra


  • Alakamisy 06 Martsa 2014

Mitarazoka ny fanendrena praiminisitra. Miteraka sarovorovo eo anivon’ny tontolo politika sy ny fiarahamonina anefa izany satria samy mitaintaina daholo ny rehetra.

Ny 26 febroary tamin’ny 4 hariva, no fe-potoana farany nofaritan’ny Fiadidiana ny Repoblika fa farafanaterana ny anarana izay hotendrena ho praiminisitra avy amin’ny antoko na vondrona antoko manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimiera araka ny voalazan’ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana. Nanolotra an’i Haja Resampa ny MAPAR raha i Dr Jules Etienne ny an’ny PMP. Hatramin’izao anefa tsy voatendry izay ho praiminisitra, anaran’olon-kafa ivelan’ireo natolotra ireo indray no misy mivoy fa te hotendrena. Taitra ny Komity mpanohana an’i Jules Etienne manoloana izany ary mametra-panontaniana fa iza no depiote manolotra io olona fahatelo io, izay heverin’izy ireo fa fanitsakitsahana lalàmpanorenana tsotra izao izany, ary koa tsy nanaja ny fanomezan-teny milaza fa efa nifarana tamin’ny 26 febroary 2014 ny tolotr’anarana. Nahitsy ny tenin-dRakotondrahanta Hajarivola mpanolotsaina manokan’i Dr Jules Etienne fa mety ho hoditr’akondro ho an’ny filoham-pirenena ny fametrahana io kandida fahatelo io. Manamafy ny tenany fa i Dr Jules Etienne no praiminisitra afaka hanao fampihavanam-pirenena. Efa nahavita dingana amin’izany izy afaka nampivondrona depiote miisa 95 avy amin’ny antoko sy ankolafin-kery samihafa manohana azy ankehitriny amin’io toerana io. Efa ny depiote maro an’isa no nanolotra azy, ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy nanao fanamarihana momba azy, ka mino izahay, hoy Rakotondrahanta Hajarivola fa tsy ho vato misakana ny fanendrena azy ny filoham-pirenena satria olona fantatr’ity farany tsara i Dr Jules Etienne ary mahalala zava-misy ara-tsosialy, ara-piarahamonina satria nitety an’i Madagasikara tao anatin’ny efa-taona izao. Tonga ny fotoana hanendrena azy ho praiminisitra, hoy Rakotondrahanta Hajarivola izay mankahery ny filoham-pirenena handray fanapahan-kevitra hentitra.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT