Tena nisy akony ratsy tamin’ny fiainan’ireo mponina eny ifotony tokoa ny fitarazohan’ny krizy nandritra ny 5 taona latsaka teto Madagasikara, hoy ny Ben’ny tanŕnan’i Tanjombato Rakotondrabe Maurice.
Ho an’ity Kaominina manodidina ny tanànan’Antananarivo Renivohitra eny Atsimondrano ity dia anisan’ny voka-dratsin’ny olana ara-politika ny fikatonan’ireo orinasa afaka haba maro hita ao amin’ny fari-piadidiany, izany hoe be ireo olona very asa. Mifanindran-dalana amin’io ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fepetra mifehy ny tontolon’ny asa toy ny tsy fanefan’ireo orinasa mandoa latsakemboka. Raha ny momba ny fitantanana ny Kaominin’i Tanjombato indray dia nisy ny zava-bita noho ny ezaka manokana avy amin’ireo mpitantana sy ny mpiara-miasa rehetra, hoy ny fanazavana nomeny. Tsy manana olana teo amin’ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa sy ny tombontsoan’izy ireo ny Kaominina. Nionona tamin’ny fikarakarana sy ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa efa misy kosa ny Kaominina toy ny tambohon’ny sekoly nianjera eny amin’ny Fokontanin’Ambohimanatrika fa tsy afaka nanatanteraka ireo volavolan-tetikasa noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Anisan’ny olana iray ho an’ity Kaominina ao Atsimondrano ity ihany koa ny tsy fananany tany hambolena hazo intsony ka voatery mifanaraka amin’ireo Kaominina mpifanolo-bodirindrina. Hetahetan’ny Ben’ny tanànan’i Tanjombato Rakotondrabe Maurice ny hijerena manokana ny lalàna mifehy ny fitantanana ny tanàna izay manjavozavo mba tsy ilazana fa tsy misy mihitsy ankehitriny. Ohatra noraisiny tamin’izany ny mikasika ny fanomanana ireo fifidianana izay efa notanterahana teto ka nanadinoana tanteraka ny rafitra kaominaly raha voaresaka ao kosa ireo mpitantana eny anivon’ny Distrika sy ny Fokontany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.