Ankoatra ny soatoavina malagasy dia tokony harovana koa ny fananana eto Madagasikara, hoy Rakotomihantarizaka Organčs, minisitry ny filaminana anatiny teo aloha.
Mampalahelo, hoy izy, fa ao atsimotsimo ao, ao Fandriana, dia misy vahiny tsy mahay miteny frantsay sy anglisy tonga mitrandraka volamena miaraka amin’ny fitaovana arifomba amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany dia arodana ny fasana, hoy ity manamboninahitra ambonin’ny polisim-pirenena ity, tsy avela hamboly ny taniny ny tantsaha fa bodoin’ny mpitrandraka volamena avokoa ny tany. Maninona izany no tsy asiana resaka mangarahara, hoy izy. Misy firaisana tsikombakomba ao ! Heveriko, fa tombontsoan’ny vahoaka ny hananany anjara toerana eo amin’ny raharaham-pirenena na amin’ny sehatra inona na amin’ny sehatra inona izany.
Lasa daholo ny harena ankibon’ny tany sy ny volamena any amin’ity toerana ity, hoy izy, ary any aminay any Ambatofinandrahana any aza dia efa lasan’ny vahiny daholo koa ny “marbre” ka ho fongona ihany ny hiafarany. Ka manaitra ny sain’ny rehetra ny tenako : aoka tsy hangina na hipetra-potsiny isika fa fotoan’ny fampanenoana lakolosy izao. Izy tenany moa dia nilaza fa tsy maintsy mitsangana rehefa misy tsy mandeha amin’ny laoniny eto. Averiko, hoy izy, fa matoa mahantra tahaka izao ny Malagasy dia tsy voafehy ny harenantsika izay mivoaka any ivelany any.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.