“Avohay ny marina. Ohatrinona ny vola miasa fa tsy be oalaoala. Izahay vonona hamoaka ho an` ny vahoaka nefa na voan` akotry iray aza tsy hita” hoy Rakotomanjato Rodin Edmond Georges,
depiote voafidy tany Arivonimamo, raha nanontaniana mahakasika ny famolavolana ny lalàna mifehy ny LFI 2021. Manana fomba fiasany manokana amin` ny fandaniana tetibola ity depiote TIM kanefa toa miandry farany foana ny fandinihana izany, hoy ihany izy. “Entiko any aminay. Misy décentralisation any ka hiara midinika ny tetibola. Sa hatsidika roa na telo andro ka andrasana andro farany no handinihana azy? Hatreto dia tsy mbola misy dosie . Tokony omena mialoha ny LFI fa tsy vita irery izany”. Mahakasika ny fandaniana ity tetibola ity hatrany dia nanambara ity depiote ity fa toa miendrika fanambaniana ny Malagasy ny zava-misy amin` izao. Marihana fa Madagasikara dia rafitra “bicamérisme”, izany hoe antenimiera roa. Hatreto anefa dia atao ankilabao ny Antenimierandoholona. Hentitra no nilazany fa “raha jerena manerana izao tontolo izao dia tsy misy izany. Bala rora no nentina nandresena tamin`ny propagandy. Tsy ilaina ny Sénat fa atao oniversite nefa izy ireo indray no manenjika hanana ny maro an`isa ankehitriny. Tsy misy fanjakana tsara tantana.” Namafisiny hatrany fa tsy misy miakatra ny mpifidy avy amin` ny antoko Tiako I Madagasikara na ny avy amin` ny Panorama 2020.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.